Raha ny vokatra vonjimaika ao amin’ny kaominina Ivato dia mandresy indray ny kandidà Randrianarisoa Penjy, laharana faharoa tamin’ny biletà tokana. Mitarika amin’ny isam-bato 36,28% ny tenany. 782 kosa ny elanelam-batony amin’ny kandidà manaraka izay manana ny salanisa 27,71%. Naharesy lahatra ny olona nifidy an-dRandrianarisoa Penjy ny asa vitany sy ny […]
Auteur/autrice : Adnews
RIVODOZA Chido: Manalavitra ny morontsirak’ i Madagasikara
Tamin’ny 5 ora sy sasany, omaly hariva, tany amin’ ny 135 km avaratra atsinanan’Antsiranana no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery vaika Chido. Niakatra ho 185 km isan’ora indray ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 260 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Mizotra mianandrefana somary atsimo andrefana izy amin’ny hafainganam-pandeha 23 […]
TARATRY ny KANTO
Tanterahina rahampitso tolakandro, eny amin’ ny CCEsca Antanimena, ny « Joy& Mercy ». Fampisehoana evanjelika iarahana amin’ny antokom-pihira The Singers of Jesus izy ity. Ho hita ao avokoa ireo hira nahafantarana ity antokom-pihira ity. Hisy ihany koa ny zava-baovao nomanin’izy ireo ho an’ny mpankafy azy mandritra io fampisehoana io. Mbola vitsy ihany […]
Madagaslam : Mitohy hatrany ny fampivelarana ny Slam
Ny eny amin’ny Cercle Germano Malagasy (CGM) Analakely sy eny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba indray no handray ny Madagaslam section Tanà, amin’ity anio ity. Hetsika maro samihafa mifantoka amin’ny Slam poésie no ho hita mandritra izany. Anisan’izany ny atrikasa fanoratana, misy ihany koa ny sehatra ahafahana maneho ny […]
Kabary – Fi.Mpi.Ma : Notokanana ny sampana Djibouti
Omaly 13 desambra 2024, tamin’ny 9 ora maraina. Notanterahina tao amin’ny « Bibliothèque et Archives Nationales » ao Djibouti, ny lanonana goavana nanatanterahina hetsika telo momba ny kabary. Lanonana fitokanana ny sampana Fikambanan’ny mpikabary malagasy maneran-tany (Fi.Mpi.Ma). Famoahana ireo mpiofana andia « Santatra » ary fanokafana ny taom-piofanana 2025 – 2026. Taorian’ny fanatanterahana ny […]




