Auteur/autrice : Adnews

Akademia Miaramila Antsirabe : Naseho ambany faneva ny andiany faha-47

Notanterahina tao amin’ny place d’armes de la Garnison d’Antsirabe, ny zoma 29 no­vambra teo ny fanehoana ambany fanevan’ireo mpianatra ho manamboninahitra andiany mivantana faha-47. Nahavita ny sedra sy ny fataizana amin’ny maha miaramila nandritra ny telo volana izy ireo. Nanome voninahitra ny lanonana ara-miaramila ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny […]

Itaosy: Mpiasan’ny banky nangalatra vola 4 miliara Ariary

Nahodinkodin’ny lehiben’ny banky iray eny Itaosy ny vola mitentina 4 miliara Ar an’ny mpanjifan’io banky io. Tonga nametraka fitoriana ireo niharan’ny halatra sy ny fanodinkodinam-bola. Misy amin’izy ireo no nindrana, nisy kosa nametraka vola tao amin’io banky io. Niakatra teny anivon’ny fampanoavana ny raharaha ka ireo mpanjifa tonga hijoro vavolombelona […]

Antsampanana Brickaville : Mirongatra izaitsizy ny fanolanana

Kaominina ahitana trangana fanolanana matetika ny kaominina Antsampanana Brickaville RN2. Voaporofon’ny antontan-taratasin’ady telo mahakasika fanolanana izay niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly izany. Voalohany ny antontan-taratasin’ady laharana faha 50-Toa/24 hanenjehana an’i Todizara Eric noho izy tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 8 taona ny 01 […]

INDRAY MIJERY

70 ny antontan-taratasy fangatahana hampianatra eny amin’ny fampianarana ambony amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina, izay hodinihin’ny vaomiera roa : Commission de Référence pour les Formations en Méde­cine (CRFM) sy ny Commission Nationale d’Habi­li­ta­tion (CNH) eny anivon’ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiandraikitra ny dingana voalohany ny CRFM izay […]

Tetikasan’ny USAID any Atsimo Atsinanana: Nanara-maso ny masoivoho amerikanina

Nidina tany amin’ny faritra Atsimo Atsinanan’i Madagasi­ka­ra izay hanatanterahana ny tetikasa roa lehibe “Vikina sy harea” ny masoivoho amerikanina, Claire Perangelo, nijery ireo tetikasan’ny  USAID. Hiompana betsaka amin’ny fahaiza-miatrika sy ny fanjarian-tsakafo ireo tetikasa goavana roa ireo. Hanampy tokantrano marefo maherin’ny 88 000 any amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Madagasikara […]