Auteur/autrice : Adnews

Ceni : Hivoaka ny 7 desambra ny lisi-pifidianana tovana

Mbola noraisin’ny Ceni sy ny rantsamangaika eny anivon’ny distrika (CED) omaly 4 desambra ireo didy hitsivolana rehetra ahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, araka ny fanazavan’ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni, Fidiniavo Roger Marc, teny Alarobia, omaly. Misy ny fe-potoana fandaminana asa hahazoana mampiditra ny anaran’ireo nangataka didy hitsivolana ao anatin’ny rindrambaiko […]

Raholdina Naivo: “Aoka isika hahay hifidy”

Anisan’ny fifidianana tena manakaiky ny vahoaka ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Zava-dehibe, araka izany, ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena tsirairay mba hisian’ny fampandrosoana eny ifotony. “Olona manana vina sy afaka hampandroso ny tanàna no tokony hofidina”, hoy ny solombavambahoaka, Raholdina Naivo, voafidy tao amin’ny boriborintany fahadimy. Lohalaharana amin’izany ireo kandidà miara-miasa […]

Miadana Fabien Privat : “Variana manaraka olona ny antoko politika eto amintsika”

Nahabe adihevitra tetsy sy teroa tato ho ato ny hoe mihavery hasina ny antoko politika, fa mahazo vahana ny tsy miankina. Nahoana? Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat. Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fizotran’ny fampielezan-kevitra amin’izao […]

TARATRY ny KANTO

Hitohy ao Paris ny hetsika fanomezam-boaninahitra sy fahatsiarovana an’i Ninie Donia. Hifamo­toana ny sabotsy izao ireo mpanakanto sy ireo mpankafy ny mozika malagasy any an-toerana. Hitarika ny hetsika ireo mpitendrin’i Ninie Donia hatramin’izay, ampian’ny tarika Tsivahiny, Toto Mwandjani, Tearano, Blilo, Booshirany, Maurena, Shao Boana, Hazolahy, Anderson Jaojoby, Flavien Rotsaka, sns. […]

AFT Andavamamba: Maro no liana tamin’ny “L’Enfant et le tambour de nuit”

Tontosa omaly tolak’andro teny amin’ny Alliance Françai­se d’Antananarivo (AFT) Anda­vamamba ny fampisehoana an-tsehatra ny “L’En­fant et le tambour de nuit”. Ny Compagnie Miangaly Theatre no nitondra izany. Seho an-tsehatra nahitana angano, teatra noravahina mozika no nentin’izy ireo nanome fahafahampo ny mpankafy azy tamin’izany. Nahaliana ny mpijery tokoa ny fampisehoana. Mari­hina […]