Tohin’ilay tolotrasa handraisana mpiasa mankany Canada, efa mandeha eto Antananarivo, amin’izao fotoana izao, ny “entretien” ho an’ireo olona voasivana ka nahazo fiantsoana. Tonga eto amintsika ireo tompona orinasa avy any Canada miresaka mivantana amin’ireo kandidà. Ny HR Pro no tompon’antoka amin’ny fikarakarana ity fandraisana mpiasa ho any Canada ity. Ny […]
Auteur/autrice : Adnews
FIAMPEBA : misehatra amin’ny sosialy sy ara-toekarena
Tafajoro tamin’ny fomba ofisialy ny Fikambanan’ny ampela bara (Fiampeba) eto Madagasikara. Nampahafantarina ny mpanao gazety tetsy Ambohitrarahaba izany, omaly. Mpikambana ao avokoa ny ampela bara rehetra maherin’ ny 18 taona manerana ireo disitrika 13, ahitana ny foko bara. Fikambanana mijoro amin’ny fanaovana asa sosialy sy ny lafiny ara-toekarena, ary hisitraka […]
ASFM : 30 taona nikojana ny zavamaniry
Loharanom-bahaolana sy fanantenana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny voka-pikarohana. Mandray anjara amin’izany ireo vehivavy mpikaroka ao amin’ny fikambanana siansa sy vehivavy eto Madagasikara (ASFM) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Anisany iantsorohan’izy ireo ny fanaraha-maso sy fikojakojana ireo zavamaniry tsy hita raha tsy eto Madagasikara, novolen’izy ireo […]
Fahasalamana eto Madagasikara : manamafy ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola i Etazonia
Miara-miasa hatrany amin’ny governemanta malagasy ny governemanta amerikanina, indrindra eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Hamafisin’izy ireo ny fanaraha-maso ny fampiasam-bola eo amin’io sehatra iray io. Manamafy ny fanaraha-maso ny rafitra fampiasam-bola eo amin’ ny sehatry ny fahasalamana eto Madagasikara ny governemanta amerikana, amin’ny alalan’ny Sampandraharaha amerikanina misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID). […]
TARATRY ny KANTO
Ny tarika Solomiral indray no handravaka ny sehatry ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Ireo hira nahafantarana sy nankafizana ny tarika hatramin’izay, sahala amin’ ny « Bako », « Sasa-miandry », « Mahatsiaro » no ho re mandritra izany. Maimaimpoana ary misokatra ho an’ny rehetra ny fampisehoana. Hianoka fampisehoana iarahana amin’ny tarika […]




