Ao anatin’ny fampielezan-kevitra tanteraka amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna izao. Heverina fa tsy hisy fokontany na kartie hadino. Ady fiady… Mifankahalala ary miresaka ny amin’ny kandidà sy izay fandaharanasany hampandrosoana ny tanàna ny mponina sy ny isan-tokantrano? Tena akaiky vahoaka sy ifotony ny raharaha: fampielezan-kevitra, fandatsaham-bato, fanisam-bato…. […]
Auteur/autrice : Adnews
Rasoamaromaka Hery: “Mahaiza mijery izay hiara-miasa amin’ny fitondrana”
Ao anaty fampielezan-kevitra ny kandidà hofidina ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny tanàna, ankehitriny. Mila mahay mijery izay olona hiara-miasa amin’ny fitondrana ny vahoaka, araka ny hevitry ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Ny ahy ny teniko dia izao: mahaiza mijery izay olona hiara-miasa amin’ny fitondrana. Satria efa nisafidy ny […]
Mpivarotra bala tsy ara-dalàna : jiolahy nahatrarana bala miisa 89
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Toamasina, omaly, ny jiolahy iray voarohirohy ho mpivarotra basy tsy ara-dalàna. Nikasa hivarotra bala ity jiolahy ity kanjo efa nahazo loharanom-baovao mialoha ny zandary ka niroso tamin’ny fisavana ny tranony. Voamarina tokoa izany. Satria, tratra izy niaraka tamin’ny bala marobe […]
Zaza 6 taona maty novonoina : Voaheloka 10 taona sazy mihatra ny anadahiny
Voasazy higadra folo taona sazy mihatra, taorian’ny fitsarana azy, tao Fianarantsoa, omaly, ny anadahin’ilay zazavavy 6 taona niharan’ny fanolanana sy vono. Notanana am-ponja nanomboka ny volana mey 2023 noho io tranga vono olona niharo fanararaotana ara-nofo ny lehilahy. Tsy olon-kafa fa zanaky ny rahalahin-drainy, izay zazavavy vao 6 taona monja, […]
Nisolifatra tanaty lava-biriky : mpianaka hita faty anaty honahona
Tsy hita nanomboka ny alatsinainy teo, ny renim-pianakaviana sy ny zanany vao herintaona. Hita faty natsingevan’ny honahona tao Ifarihy, kaominina Andoharanofotsy, omaly, tamin’ny 4 ora tolakandro ireto mpianaka ireto. Handeha hanasa lamba no nialany, izay nitondra ny zanany tamin’io andron’ny alatsinainy 18 novambra io. Talanjona ny fianakaviany satria tsy nody […]




