Tamin’ny alalan’ny tambatr’isa nomen’ireo olona mpanaraka na mpijery (voting public) ilay fifaninanan-kira « Our Generation » no nibatan’i Filamatra Matokia ny amboara, tany Kazan, any Rosia, ny faran’ny herinandro teo. Ilay hirany nampitondraina ny lohateny « Iray » no nohirain’ity solontenan’i Madagasikara ity teo anoloan’ny mpijery marobe sy ny mpitsara. « Nandresy aho! Nandresy niaraka […]
Auteur/autrice : Adnews
Tambohobe – « Festisôva » 7 : « Tafita ny hafatra », hoy Randrianarivelo Hasina
« Ady amin’ny herisetra sy zava-mahadomelina ». Lohahevitra nosafidian’ny fikambanana Tambohobe novoizina nandritra ny hetsika « Festisôva » andiany faha-7. Nilaza ny vokatra Randrianarivelo Hasina, filohan’ny fikambanana… «Efa nisy ny andiany enina teo aloha. Tontosa ny andiany faha-7. Naparitaka sy novelarina bebe kokoa ny fampahafantarana ny hetsika Festisôva sy ny lohahevitra Ady amin’ny herisetra sy […]
Komity iombonan’ny mpiasa malagasy: “Marary ny tontolon’ny asa eto Madagasikara”
Mbola misedra olana manoloana ny hakelin’ny karama sy ny fahatapahan’ny jiro sy rano matetika ny mpiasa malagasy. Miantso ny filoham-pirenena sy ny governemanta ny Komity iombonan’ny mpiasa malagasy sy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa isan-tsokajiny ny hijerena sy hamahana izany olana izany, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Marary ny tontolon’ny […]
FANTINA sy FINTINA
Mpiandraikitra sora-piankohonana miisa 26 avy amin’ny boriborintany enina eto Antananarivo Renivohitra no nahazo fiofanana mahakasika ny fikirakirana ny sora-piankohonana. Tao anatin’izany no nanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo mba hanamorana ny fisitrahan’ny vahoaka izany. Hanomboka amin’ny fomba ofisialy rahampitso hatramin’ny 9 desambra 2024, ny fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. […]
HCDDED : “Manentana ny olona hifidy sy hahay hifidy”
“Anisan’ny fanehoana tsara indrindra ny demokrasia ny fifidianana. Misy fifidianana ho avy io izao. Raisin’ny HCDDED ho andraikitra ny manentana ny vahoaka malagasy tsivakivolo handray anjara mavitrika amin’izany fifidianana izany”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), Ranadialison Angelo, tamin’ny atrikasa fampahafantarana ny […]




