Auteur/autrice : Adnews

Sombim-baovao

Tsara fanombohana ny solontena malagasy miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja Échecs, sokajy Cadet, any Italie. Nandresy an’i Kany Elsie Joyce, teratany kenianina, i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra, tamin’ny lalao voalohany, teo amin’ny sokajy U12. Lany ho filohan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny taranja volley-ball, i Fabio Azevedo, ny sabotsy 16 novambra […]

Basikety-Kianjan’Andraisoro : Miroso miandalana ny asa fanajariana

Mizotra tsara ny fanamboarana ny kianja basikety AT2B eny Andraisoro. Miroso miandalana ny asa fanajariana. Etsy ankilany, miroso ihany koa ny fifaninanana “Fety de Baskety e!”, fankalazana ny faha-15 taonan’ny AT2B. Araka ny fandaminana, eny amin’ny kianja indramina eny Nanisana sy eny Amboditsiry aloha hatreto no mandray ny lalao mandra-pahavita […]

« Can Maroc 2025 »: Miaro ny laharany amin’ny Fifa sisa ny Barea

Tsy misy fanantenana amin’ny “Can Maroc 2025” intsony i Madagasikara. Hifanandrina amin’i Comores izy ireo anio, any Maroc. I Gilles Hugon no hitondra ny ekipa nasionaly. Ny ekipa nasionalin’i Tunisie sy i Comores no nahazo ny tapakila hiatrika ny fifaninanana “Can 2025”, izay hatao any Maroc, tao amin’ny vondrona “A”. […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa ny sabotsy 16 novambra teo, tao amin’ ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy, ilay fampisehoana « Redombe fahatsiarovana » nokarakarain’ny Sehatra Bagasy. mihoatra ny folo ireo tarika nandray anjara tamin’ ity: Solika, Ndriana Ramamonjy, R’Imbosa, Lala Doris, Ny Angola Itokiana, Tsi’Ahy, Ny Antsa Mikalo, Karoka Dinar­son, Kolibera ary ny fianakavian’ireo mpamoron-kira […]

Tarika ‘Zay : eo sy mijoro hatrany ireo mpankafy

Tsy miala fa mbola eo sy mijoro hatrany ireo mpankafy ny tarika ‘Zay na dia teo aza ny fahalasanan’i Nary. Nopo­ro­foin’ny mpankafy izany satria feno hipoka ny Kianjan’ny fanatanjahantena sy ny kolon­tsaina Mahamasina nandritra ny fampisehoana lehibe na­taon’ny tarika, omaly. Nampi­ton­draina ny lohateny hoe: «Samy te…» ny fampisehoana. Hira navoakan’ny […]