Auteur/autrice : Adnews

Rajoelina Andry: “Izay toky nomena tsy maintsy tanterahina…”

Hitondra vokatsoa amin’ny lafiny maro eo amin’ny fiainana andavanandron’ny Malagasy ny fahavitan’ny lalambe migodana. Hahazo tombony voalohany amin’izany ny lafiny toekarena noho ny fahamoran’ny fifamezivezen’ny olona sy ny entana. Tontosa, omaly, ny fitsidihana ny asa fanamboarana ny lalambe migodana mampitohy an’Antanana­rivo sy Toamasina. Teny amin’ ny fiandohan’ny tetikasa Ambodifasina, kaominina […]

Maevatanana : tratra ireo jiolahy namono olona

Naiditra am-ponja ao amin’ny fonjaben’i Maevatanàna, ny 12 novambra 2024 teo, ireo jiolahy efatra voarohirohy ho tompon’antoka tamina vonoan’olona feno habibiana tao an-toerana. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’i Maevatanàna ny alin’ny sabotsy 9 novambra 2024 noho ny raharaha famonoana olona niniana natao ry zalahy ireto. Nahitana fatin’olona iray […]

Namono nahafaty ny vadiny: mamatoa indroa voaheloka an-terivozona mandra-pahafatiny

Renim-pianakaviana antsoina hoe i Pity Elicette, 39 taona, fantatra amin’ny solon’ anarana hoe Cette no namono nahafaty ny vadiny tao Ambalakondro, fokontany Vo­hi­tsara, kaominina ambani­vohitr’Ampasimbe Onibe, distrikan’i Toamasina II. Voaro­hi­rohy tamin’ny famonoana ny vadiny izy, araka ny antontan-taratasin’ady laharana 06-Toa/21 ka nampidirana am-ponja vonjimaika azy ny 4 marsa 2020. Antontan-taratasin’ady […]

Nanohitra zandary : jiolahy roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny tifitry ny mpitandro filaminana ny roa lahy amin’ ireo mpangalatra omby tao amin’ny fokontany Antelopolo, kaominina Anahidrano, ny 13 novambra teo. Nandroba tao amin’io fokontany io, nentin’ireo olon-dratsy ny omby miisa dimy. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona ary niambina ny kizo ahina handosiran’ireo mpandroba ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra […]

Fanafihana tsy tanteraka: dimy lahy naiditra am-ponja eny Antanimora

Dimy lahy mpidoroka sady mpivarotra rongony naiditra eny Antanimora, omaly. Nikasa hanao fanafihana ny telo lahy. Notanana vonjimaika ao amin’ny fonjan’An­ta­ni­mora ny dimy lahy vokatry ny fivarotan-drongony mahery vaika eto an-dRe­ni­vohitra sy ny manodidina. Na­ha­ray fitarainana avy amin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena fa misy andian-dehilahy midoroka sady mivarotra karazan-drongony “Skunk” […]