Nanatanteraka ny fizarana ny tosika Fiavota tany amin’ny fokontany Ankirihiry, kaominina Behara, distrikan’Amboasary, faritra Anôsy ny minisitry ny Mponina sy ny fiahiana sosialy, i Soafilira Princia, ny faran’ny herinandro teo. Tokantrano 2000 tao amin’ny distrikan’Amboasary no nisitraka vola 40.000 Ar ka hatramin’ny 60.000 Ar avy, raisina isaky ny roa volana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fidinana ifotony: hitokana fotodrafitrasa any Fitovinany ny filoha
Hidina ifotony any amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Fitovinany ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, manomboka rahampitso. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana fotodrafitrasa maromaro, hitondra fampandrosoana ho an’ny faritra Fitovinany. Eo koa ny fanombohana ny asa sasany. “Mitohy hatrany ny asa fanatanterahana ireo velirano nataon’ny filoham-pirenena ary misitraka izany avokoa ireo faritra […]
Fivorian’ny eveka : hofaritana ireo laharam-pahamehana
“Miavaka ny fivoriana satria taorian’ny fitsidihana natao tamin’ny papa ray masina dia izao fivoriana izao no amaritan’izy ireo ny laharam-pahamehana pastoraly eo amin’ny fitantanana ny eglizy sy ny vahoakan’Andriamanitra, araka ny toromarika sy ny fifanakalozan-kevitra natao tany Roma”, hoy ny sekretera mpandrindra eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny pretra […]
Fijerena sy fiahiana ny mpiasam-panjakana: nampiakarina ho 11% ny tetibola ho an’ny karama
Anisan’ny nisongadina tamin’ny famelabelaran’ny minisitry ny Toekarena sy ny vola, i Rindra Hasimbelo, ny momba ny volavolan’ny tetibola, ho an’ny taona 2023 ny momba ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Eo koa ireo fotodrafitrasa… Nambarany fa hiakatra hatrany amin’ny 11,9% ny tetibola ampiasaina amin’ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana ho an’ny taona avy. Tsy […]
Fotodrafitrasa: misongadina ny Japoney
Nitsidika ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tetsy Anosikely ny ambasadaoron’i Japon, i Abe Koji, afakomaly. “Manana tetikasa maro eto amintsika ary mitondra vokatsoa ho an’ny vahoaka i Japon”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona. Notsiahiviny ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa Ambatovy. Eo koa ny fanamboarana ny seranan-tsambo ao Toamasina ary koa ny […]