Auteur/autrice : Adnews

I Sincere sy i Jeremy : vao 15 taona fa efa tompondakan’ i Afrika amin’ny Motocross

Mametraka tantara amin’ny taranja Mo­to­cross eto Ma­daga­si­kara sahady i Leung Yen Sin­cere sy Rakoto­ari­ma­na­na Jeremy. Vao 15 taona mon­ja dia efa nandrombaka ny la­harana voalohany tamin’ny fifaninanana «Mo­tocross of Afri­can Nation (Mxo AN )”. Mizara ny traikefany izy ireo. Fa­nadihadiana ! Nahazo vokatra tsara ny Malagasy mpanamory nandritra ny fifanintsanana “Motocross […]

VAOVAO TAMBATRA

Vonona hanome tanana, hifanakalo traikefa, amin’i Madagasikara ny firenena Etiopianina. Modely azo alain-tahaka amin’ny fandrindrana ny ezaka fahavitan-tena ara-tsakafo ity firenena ity. Voaresaka nandritra ny fihaonamben’ny « World Without Hunger Conference » tany Addis-Abeba ireo traikefa sy fomba nampiroboroboany ny sehatry ny fambolena. Hetsika niarahana tamin’ny delegasiona avy amina firenena maro maneran-tany. […]

Tohana AVY AMIN’Ambatovy : fitaovana 460 ho an’ny mpanjono

Nizara fitaovana sy kojakojam-panjonoana ho an’ny fikambanana miisa 9, ivondronan’ny mpanjono sy ny vadiny, ny orinasa Ambatovy, ny 11 novambra teo. Voakasik’ izany ny any amin’ny Dépôt Analankininina, Ambodisaina Ivondro ary Ambodisiny. Niarahan’Ambatovy niasa tamin’ny fitantanam-paritry ny Jono sy ny toekarena manga (DRPEB) sy ny ONG Crade, ny hetsika, entina […]

Miandry vokatra

  Mihazakazakabe ny fanaovan-tsonia fifanarahana amin’ny firenena na fikambanana, na orinasa vahiny. Mahavelombolo ny fisokafana amin’ny zotra hafa, miala amin’ny famatsiam-bola mahazatra. Efa tsy hita ho kaontina intsony ny teti-bidin’ny trosa miparitaka any rehetra any. Zara aza mahita mangirana amin’ny fahatongavan’ny vola vahiny. Ny indrokely, tsy tena mazava ny takalon’ilay […]

Shanghai Huiyou Investment Group : hampiasa vola 100 tapitrisa dolara eto Madagasikara

Hiasa eto Madagasikara ny orinasa sinoa Shanghai Huiyou Investment Group. Hitondra 100 tapitrisa dolara izy ireo, hanodinana ny vokatry ny fambolena. Vita, omaly, ny fanaovan-tsonia fifanarahana eo amin’ny orinasa Shan­ghai Huiyou Investment Group sy ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo eto Madaga­si­kara. Hiompana amin’ny tetikasa hiantohana ny fiandrianam-pirenena sy ny […]