Auteur/autrice : Adnews

Sady mamitana no mamitaka!

Efa mahoraka ery ny tanàna amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Mipoipoitra mampahafantatra ny kandidany ny antoko, fikambanana, na vondron’olona tsotra. Efa samy miketriketrika ny hampandaniana izay ho “ngahy mera” avokoa ny rehetra. Izay manan-katao moa efa manetsika rezimanta. Izay somary marisarisa, misafidy ny manao ron-gisa: misiko-miadana fa mampijafajafa ihany […]

Fiaraha-miasan’ny KfW sy ny MFFT : fotodrafitrasa miisa 40 eo am-panamboarana

Mitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) sy ny tetikasa KFW avy any Allemagne. 40 ny fotodrafitrasa eo am-panamboarana, ankehitriny. Niaraha-nijery sy nodinihina tamin’izany ny tom­bana amin’ny ezaka sy ny asa efa vita eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny avy amin-dry zareo Alemà. Anisan’izany ny […]

TSELATRA

Maty voatifitry ny polisy ao Ikongo ny jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana. Tao Ambolomadinika Ikongo no nifanehatra tamin’ny polisy ity jiolahy ity, ny sabotsy teo. Nentin’ny polisy hanoro ny toerana misy ireo mpiray tsikombakomba aminy izy no nanohitra tampoka. Miafina ao Ambolomadinika ireo namany ka teny an-dalana no nikasa haka ny […]

Tanjombato : vehivavy naka karama voaendaka

Ranomaso sisa! Io no azon’ny renim-pianakaviana iray natao, taorian’ny fanendahana nataon’ny jiolahy azy teny akaikin’ny banky iray eny Tanjombato, omaly atoandro. Nendahin’ny jiolahy roa nitondra moto niaraka tamin’ny antsy lavalela ity renim-pianakaviana ity rehefa avy naka vola, karama, tao amina banky iray eo Tanjombato. Mpampianatra amina sekolim-panjakana eny amin’iny distrikan’Antsimondrano […]

Ankazobe : trano valo tafo kilan’ny afo

Hotohoton’ny afo avokoa ny trano miisa valo tao amin’ny kaominian Kiangara, distrikan’Ankazobe, omaly atoandro. Niainga tamina tokantrano iray tao an-toerana io firehetana io. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny fahamaizana fa ahin’ireo lasibatra ho niainga tamin’ny fipoahan’ny vatoharatra. Niteraka fahamaizana tamin’ny tafo io fipoahana io ka nalaky nahazo ny tafon-trano […]