Hiditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, ho an’ny sokajy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Fifaninanana nanomboka ny 27 oktobra teo ary hitohy hatramin’ny 3 novambra izao, any Fianarantsoa, tohanan’ny Telma Madagascar. Ho an’ny ekipan’ny GNVB, manana solontena avokoa ny sokajy lahy sy […]
Auteur/autrice : Adnews
“Cosafa cup 2024” sokajy vehivavy: nihintsana ny Barea de Madagascar
Tapitra teo amin’ny fifanintsanana isam-bondrona ny dian’ny Barea de Madagascar, sokajy vehivavy, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’ireo firenena aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika “Cosafa cup 2024”. Faharesena iray, ady sahala iray ary fandresena iray. Io no vokatra azon’ny Barea de Madagascar, sokajy vehivavy, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka […]
Nendran-drajako : nahitana tranga iray tao Maorisy
Nambaran’ny minisiteran’ny Fahasalamana maorisianina, omaly, fa nahitana tranga voalohany “Mpox” any amin’ny Nosy Maorisy. Teratany Nizeriana 49 taona no fantatra fa voan’izany, raha ny vaovao navoakany hatrany. Nampidirina hopitaly avy hatrany any amin’ny hopitaly Port-Louis izy. “Tsy misy ahina ny toe-pahasalamany”, hoy hatrany ny fanambaran’ny minisitra. Nohamafisina avy hatrany ny […]
Jean Nirina R. : « Tokony hiova ny toe-tsain’ny olona »
Ho avy ny fotoam-pahavaratra ka ho tondraka sy hiakatra indray ny rano eto an-dRenivohitra, indrindra ny eny amin’ny faritra iva. Efa mandray ny andraikiny ny fanjakana sy ny Apipa mitady ny fomba rehetra hamahana izany. « Efa olana hatramin’ izay mihitsy io resaka lakandrano tsentsina sy rano miakatra io. Tokony hiova […]
Tsy nisy lela sy voamaso: lehilahy hita faty tao an-tranony
Hita faty tsy nisy lela sy voamaso ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny trano fonenany, tao Ambodiampanga, fokontany Antanetibe, kaominina Ambohidrapeto, afakomaly maraina. Nipetra-drery io lehilahy io. Niaraka nisakafo tamin’ny olona mpifanerasera aminy izy ny alin’ny sabotsy, araka ny loharanom-baovao. Tsy nivoaka ny trano intsony izy ity ka nampanahy ireo manodidina. […]




