Azo atao manomboka izao ny misintona vola Orange money eny amin’ny « Distributeur automatique de billet » (Dab) ny Société Générale (SG) manerana ny Nosy. Mitovy sarany toy ny eny amin’ny Cash point ny fanaovana izany. Tombony ny hahafahana misintona vola amin’ny fotoana rehetra eny amin’ireo Dab 139 ny SG tsy ampiasana […]
Auteur/autrice : Adnews
Olan’ny rano : nandroso vahaolana ny fitondram-panjakana
Efa ao anatin’ny fitadiavam-bahaolana entina mamaly ny filan’ny vahoaka sy mamaha ireo olana misy ankehitriny ny fitondram-panjakana. Anisan’izany izao vahaolana fohy ezaka tanterahina izao. Efa niatrana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, nanomboka omaly, ireo fiarabe hitatitra rano ho amin’ny ireo « Bonbonnes », izay efa miparitaka manerana ny tanànan’Antananarivo. Anisan’ny fepetra noraisina nandritra […]
INDRAY MIJERY
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny fividianana ireo fanafody sy kojakojam-pitsaboana ao anatin’ny fifanarahana Salama. Tafiditra amin’izany ny fanafody sy ny kojakoja rehetra ampiasaina eny amin’ny CSB sy ny hopitalim-panjakana ary ny fitaovana eny amin’ny laboratoara sy ny toeram-pitarafana. Nanolotra tobin-drano (citerne) mahazaka 1 000 litatra miisa roa hoentina […]
Fanadinana amin’ny fampianarana teknika: ny 13 janoary – 21 marsa 2025 ny fisoratana anarana
Nampahafantatra ny tetiandro momba ny fisoratana anarana amin’ireo fanadinam-panjakana samihafa ao aminy ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa. Hanomboka ny 20 janoary ary hifarana ny 21 marsa, taona 2025, ny fisoratana anarana ho an’ny fanadinana ahazoana ny mari-pahazaina Brevet d’études professionnelles (BEP). Hotontosaina ny 30 jona hatramin’ny 3 jolay […]
Tsy fanjarian-tsakafo : miantsehatra amin’ny ady ny SZM
Nanokatra ny fivoriana iraisam-pirenena ho an’ny tanora tetsy Ambohitrimanjaka, omaly, ny skotisma zazavavy eto Madagasikara (SZM). Nahitana ny Fanilo sy Mpanazava ary ny Kiadin’i Madagasikara izany. Lohahevitra novoizina ny mahakasika ny fanomezana tontolo maitso kokoa ny tanora amin’ny hoavy. Ireo efa nandray anjara tamin’ny fandaharam-panabeazana momba ny fanjarian-tsakafo sy ny […]




