Nitondrana fanavaozana sy fanatsarana fomba fiasa ny nametrahana kioska, handraisana ny torohay ho an’ireo manan-draharaha eny anivon’ny fitsarana. Iarahana amin’ny fandaharanasa Rindra izany. Nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis, omaly, tetsy Anosy fa manana zo handeha ho eny amin’ny fitsarana ny rehetra. Matetika anefa matahotra ny olona na koa […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanafihan-jiolahy : ramatoa 63 taona maty voatifitra
Renim-pianakaviana iray 63 taona maty notifirin’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Ambohinorina, kaominina Betafo, ny alin’ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 10 ora. Nirongo fitaovam-piadiana, niditra an-keriny ny tanàna, ireo mpandroba. Nangorona ny omby rehetra tao am-bala izy ireo. Tamin’io fotoana io indrindra, notifirin’ireo tsy mataho-tody ity ramatoa lasibatra ity. Nidarabako […]
Tratran’ny fitsaram-bahoaka: lehilahy iray nisandoka ho zandary
Haingana ny fahatongavan’ny zandary nisambotra azy fa raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny raim-pianakaviana iray antsoina hoe Ramilison Jean Emile, nisandoka ho zandary tao Tanambao fahadimy Toamasina, omaly. Manery ireo olona handoa vola tsy ara-drariny aminy izy. Tonga teny amin’ny faritra misy ireo mpivarotra finday ao Tanambao fahadimy ity […]
Ampitatafika : tratra ny jiolahy mpamaky trano
Voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo teny Soavimbahoaka Ampitatafika, omaly, ny andian-jiolahy mpamaky trano. Nahazo fitarainana mialoha avy amin’ny mponina manodidina ny zandary momba ny fisiana andian-jiolahy mifoka zava-mahadomelina. Nidina teny an-toerana nitobian’ireto jiolahy ireto ny zandary ka voamarina tokoa ny fisian’izany. Nahatrarana fonosan-drongony teny amin’ireo jiolahy nandritra […]
Fiara 4X4 tra-doza : Polisy iray namoy ny ainy
Lehilahy iray maty ary roa naratra mafy teny amin’ny lalam-pirenena faha-34, tsy lavitry ny tetezan’i Sahalombo, distrikan’Antsirabe I, omaly maraina. Mpitandro filaminana ity niharan-doza ity. Raim-pianakaviana iray namily fiara namoy ny ainy nandritra ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny RN 34 iny, tao amin’ny fokontany Tsivatrinikamo, distrikan’Antsirabe voalohany, omaly vao mangirandratsy. “Avy any […]




