Hiditra an-tsehatra androany, mandritra ny andro fahatelo sy fahefatra hiadiana tapakila amin’ny “Can Maroc 2025”, any Maroc, ny ekipa nasionaly malagasy Barea de Madagascar. Hifandona amin-dry zareo amin’izany ny Scorpion Gambianina. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Stade El Arbi Zaouli Maroc, ny lalao ihaonan’ny ekipam-pirenena malagasy Barea sy ny Scorpion […]
Auteur/autrice : Adnews
Fahatapahan-jiro sy rano: fahavoazana ho an’ny vahoaka sy ny fandraharahana rehetra
Fahatapahan-jiro matetika amina tambajotra iray, miampy tsy fisian’ ny rano amin’ny toerana sasany ny mahalaza ny “délestage”. Ahitana izany ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Miha mahery vaika izany tato ho ato, miteraka fahasorenana sy olana isan-karazany, toy ny fatiantoka, fahasimban-javatra. Nanomboka tamin’ny fe-potoana fiasana voalohany ny fanjaka tarihin’ ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nahazo taratasy fampitsaharana amin’ny asany ireo sefo fokontany miisa 5 any Toliary. Efa niseho koa ny fanesorana mpitantana eny ifotony tahaka izao tany an-toerana nialoha ny fifidianana depiote tao Toliary ary izao niverina izao indray. Tsiahivina fa taratasy avy any amin’ny prefet izany. Iharan’ny tsindry amin’ireo kandidà mpomba ny fitondrana […]
Prefet Antananarivo: “Tsy maintsy atao ny fanendrena lefitra PDS roa”
“Tsy maintsy itadiavana vahaolana hisolo azy izay nametra-pialana. Tsy maintsy manao ny fanendrena ny lefitry ny Filohan’ny delegasiona manokana (PDS), Antananarivo Renivohitra, ny fanjakana”. Io ny fanazavan’ny prefet, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana ny fametraham-pialan’ny PDS teo aloha, Ramanantsoa Harilala, noho ny firotsahan-kofidiny ho ben’ny Tanàna […]
Mila manova fomba fisaina
Hita iny ny vahaolana avy amin’ny filohan’ny Repoblika. Nasehony hatrany amin’ny fizaran-drano ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Miezaka ny miatrika ny hamehana arakaraka ny hodidina izy. Ny rano manakaiky vahoaka, fa tsy ny vahoaka intsony no handahatra bidon mavo. Mibaribary ny finiavany hitondra vahaolana, tsy hiandrasana ny hafa. Manoloana izany, mba […]




