Fampahatsiahivana, fanamafisana… “. Marina ny an’ny filohan’ny Repoblika hoe tsy sehatra ifankahalana sy ifandrafiana ny tanànan’Antananarivo, fa toerana tokony hifanomezan-tanana”. Io ny fanehoan-kevitry ny governora faritra Analamanga sady sekretera nasionalin’ny TGV, Rasoamaromaka Hery, teny Ambohidahy, omaly, ny amin’ny fiatrehana fifidianana ben’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra. Tsy manala ny fahasahiranana ny korontana. […]
Auteur/autrice : Adnews
KMF/Cnoe : “Mila ovaina ny fomba fanaovana fifidianana”
Nitondra ny heviny amin’izao hiatrehina ny fifidianana eny anivon’ny kaominina izao ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nambaran’izy ireo fa ilaina ny fanovana manomboka izao. “Raha tiantsika ny hanana fifidianana tena demokratika, anjakan’ny fahalalahan’ny rehetra na mpirotsa-kofidina na ny mpifidy: tsy maintsy manova ny fomba fanaovana fifidianana isika”. Izay ny fanambaran’ ny […]
SOMBIM-BAOVAO
Norombahin’ny ekipa PDJA, nahitana an’i Mac Siou sy i Kenny Noel, ny voalohany tamin’ny karting 60 mn chrono, natao ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny kianja Havoana land Imerinkasinina. Nahatontosa fihodinana 48 ry zalahy, tamin’ny halavirana 900 m. Faharoa i Dive Bomb ary fahatelo Razafindratsimba Mboara, nandresy tamin’ny taon-dasa. Handray […]
Taekwondo WT- Analamanga : nahatratra 83 ireo mpikatroka nanao Poomsae
Tontosa tao amin’ny Kianja mitafo Mahamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ Analamanga, taranja Taekwondo WT (TKD WT). Araka ny nambaran-dRanjavololona Julie Claudette, filohan’ny ligin’Analamanga, nasiana ny fifanintsanana eo amin’ny fihetsika mirindra Poomsae, mba hampiavaka ny hetsika. Nahatratra 83 ireo mpikatroka nandray anjara tamin’izany. Tanjona tamin’ity […]
Basikety : mpitsara 16 nahazo diplaoma
Miroso mankany amin’ny fampandrosoana ny lafiny fitsarana lalao ny Federasiona malagasin’ny basikety. Nandritra ny lalao famaranana ny fifaninanam-pirenena N1A, teny Mahamasina, no namoahana sy nanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpitsara miisa 16 mianadahy. Ankoatra ny mari-pankasitraha, nahazo mari-pahaizana avy amin’ny Fiba Afrika ihany koa izy ireo. Tsiahivina, niatrika fiofanana sy fanadinana […]




