Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Ankalazaina ny 10 oktobra ny Andro maneran-tany ho an’ny fahasalamana ara-tsaina. Ho fanamarihana izany, mikarakara “Rendez-vous du remapsen santé mentale” ny fikambanana Remapsen Mada eny amin’ny OJM Ambohidahy, manomboka amin’ny 10 ora maraina, anio. Lohahevitra hifampizarana ny “Fahasalaman’ny saina miabo” hiarahana amin’ny Dr Razafimahefa Julien, filohan’ny Autisme Fédération Madagascar, sy […]

Fananahana ara-pahasalamana : nisongadina ny sary nataon’i Steven sy i Tiavina

Tanora 21 mianadahy no nandray anjara tamin’ny fifaninanana adisisika fanentanana momba ny maha zava-dehibe ny fanabeazana ara-pananahana feno any an-tsekoly, izay notontosaina ny 12 aogositra hatramin’ny 15 septambra lasa teo. Nikarakara ny hetsika ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny fahasalamana sy zo hisitraka fananahana ara-pahasalamana, ho fanamarihina ny Andro natokana ho […]

Tetikasa Tsimbina : tokantrano 1 123 nisitraka vola

Miditra amin’ny andiany faharoa ny fisitrahana ny vola ho an’ireo ankohonana marefo, anatin’ny tetikasa Tsimbina. Natao, omaly, tetsy Mahamasina, ny fizarana izany, izay natrehin’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Ireo nahafeno fepetra, nahavita nampiditra ny zanany an-tsekoly no nomena ny ampahany faharoa. Nanaraka ny toromarika fiofanana niaraka […]

Tetikasa Ankohonana Miarina : nosantarina ny tanàna vaovao eny Fieferamanga

Nomarihina teny Fieferamanga, distrikan’Arivonimamo, omaly, ny Andro maneran-tany ho an’ny toeram-ponenana. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Ankohonana Miarina ny fifindra-monina hatao eny an-toerana. “Manoloana ny fitomboan’ny mponina an-tanàn-dehibe dia mitombo koa ny filana trano fonenana”, hoy ny sekre­teram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny trano fonenana, Andriamano­hisoa Gerard. Nosafidiana manokana i […]

Fampiroboroboana ny fizahantany: hatao any Morondava ny JMT andiany faha-46

Hotanterahina any Moron­dava ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany andiany faha-46 (JMT), ho an’ny taona 2025. Tapaka izany taorian’ny fitsidihana nataon’ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa, tany an-toerana, ny herinandro teo. Na­hafahana nanombana sy nampiroborobo ny fizahantany ao amin’ny faritra izany. Malaza sy hamantaran’ny […]