“Sitabaomba”. Lasa anaran’ny faritra iray eny Ivato eny izy ity. Nataon’ilay mpanatontosa sarimihetsika malagasy, Lova Nantenaina, lohatenin’ ilay horonantsary navoakany, izay natao hanaitra ny fiarahamonina. Nalefa voalohany ny zoma teo, tany Paris, ity horonantsarimihetsika ity, nandritra ny hetsika nokarakarain’ny mpilaravinahitra any an-toerana. Rahampitso kosa ny anjaran’i La Réunion ary ny […]
Auteur/autrice : Adnews
TARATRY ny KANTO
Tselonina, Ifanihy ary Levelo, eny amin’ny Pho Resto aire du By Pass. Anio manomboka amin’ny 4 ora tolakandro ity fiarahana anisan’ny be mpiandry ity. Efa nisy fahiny, saingy mbola be mpankafy hatrany izany. Fiarahan’ny vazo miten’Ifanihy, ny hira vokatry ny tanin’ Ingahibe Tselonina ary ny angolan’ny tarika Levelo, feno ny […]
“Star Tour Toamasina” : Andrasana ry AmbondronA
Mbola tsy lefy ny resaka mahakasika ny sehon’ny tarika AmbondronA tetsy amin’ny Coliseum farany teo. Maro ireo mpankafy any amin’ny faritra ny mangetaheta te ahita izany, kanefa ry zareo ao Toamasina aloha no ho tsara vintana manaraka eo. Anisan’ireo tarika andrasana fatratra mandritra ny “Star Tour”, farany amin’ity taona ity, […]
« Festival Madajazzcar » : tanterahina amina toerna maro eto Madagasikara
Zary lasa fanao isan-taona ary ambohi-pihaonan’ny mpankafy ny gadona Jazz ny « Festival Madajazzcar ». Efa miditra amin’ny andiany faha-35 izy amin’ity taona ity, ary ny fampivelarana ny “Jazz” no tanjon’ny mpikarakara. Nanomboka omaly ireo hetsika maro samihafa ho fankalazana ny « Festival Madajazzcar » andiany faha-35. Anisan’ny nahitana izany ny teny […]
Fihaonamben’ny CEO Summit : hodinihina ireo fanambin’ny toekarena lovainjafy
Hotanterahina eto Antananarivo, ny 5 sy 6 desambra izao, ny fihaonana an-tampon’ ireo mpandraharaha sy mpamatsy vola aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Maherin’ny 300 ireo mpanapa-kevitra, tompona orinasa, handinika ireo vina toekarena aty amin’ny faritra voalaza hananganana paikadim-piaraha-miasa hampiroboroboana ny fampandrosoana lovainjafy. Ambohipihaonan’ireo mpandraharaha mitady fanavaozana ho an’ny hoavin’ny toekarena ny […]




