Auteur/autrice : Adnews

Atrikasa niarahan’ny RRI sy ny SIF: hatsaraina ny zo amin’ny fananan-tanim-pokonolona eto Madagasikara

Nisy atrikasa natao tetsy amin’ny Radisson Ambodi­vona, omaly, niarahana tamin’ny Right and Ressources Initiative (RRI) sy ny Sehatra iombonana ho an’ny fananantany (SIF). Mikendry ny hanatsarana ny fankatoavana sy fiarovana ny zo ho an’ny fananantanim-pokonolona eo amin’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny andrimpanjakana. «Tan­jona ny hampandrosoana sy hanaovaozana ny […]

ADY AMIN’ny dengue: Mila 55 tapitrisa dolara

Mampirongatra ny aretina dengue afindran’ny moka ny fiovan’ny toetr’andro (fiakaran’ny maripana) ka nahatonga ny OMS nametraka drafitrasa iraisam-pirenena hifehezana azy. Nanomboka ny taona 2021 no ho mankaty, nitombo avo roa heny, isan-taona, ny isan’ny tranga misy fahasarotana voatily. Tao anatin’ny valo volana voalohany tamin’ity taona ity, 7 900 ny fahafatesana nateraky […]

Aretina mpiseho amin’ny tany mafana : ilaina ny paikady iraisan’ny firenena frankofona

Nivoaka ny tatitra vaovao momba ny vesatra ateraky ny aretina mpiseho amin’ny tany mafana notsinontsinoavina (MTN) ho an’ireo firenena mampiasa ny teny frantsay. Fitambaran’ny aretina toy ny habokana, bilarziozy, dengue, haromotana… azo sorohina sy tsaboina ny MTN izay miteraka takaitra, in­drindra ho an’ireo mponina tena marefo. Mety hitarika amin’ny fahasembanana […]

INDRAY MIJERY

Vinavinaina ho mafy ny vanim-potoan’ny rivodoza amin’ity taona 2024-2025 ity, mety hifanakaiky na ho mafy kokoa noho ny tokony ho izy. Hanodidina ny roa hatramin’ny dimy ny isan’ireo rivodoza mety hiantraika mivantana an’i Madagasikara. Ahina mafy ny hisiana rivodoza mety hiditra an-tanety avy any amin’ny ranomasimbe Indianina nefa mety hisy […]

Opération Smile: manatona ifotony ny fitsaboana ny sima

Nampahafantarina ny 3 oktobra teo ny fiara fitsaboana antsoina hoe «Smile Mo­bile», an’ny fikambanana ONG Opération Smile. Fomba iray ahafahana manatona akaiky kokoa ireo olona sima sy vaky lanilany, izay ankizy ny ankamaroany, hitsaboana mialoha na aorian’ny fandidiana ny molotra sy ny ativava. Mai­maimpoana daholo ny fitsaboana. Tanteraka izany vokatry […]