Auteur/autrice : Adnews

FANTINA sy FINTINA

Hentitra ny filoha nasionalin’ny MMM, An­dria­nainarivelo Hajo, fa resabe fotsiny ny fitakiana ny Iles Eparses. Nanteriny fa miverina amin’i Nosy Maorisy ny fiandrianana amin’ireo Nosy Chagos rehefa teo am-pelatanan’ny britanika sy ny amerikanina tao anatin’ny 50 taona mahery. ” Izany no tena fandresena ara-diplomatika fa tsy ny fanaovana serasera betsaka”, […]

Fisoratana amin’ny lisi-pifidianana : misy fepetra ny fakana ny didy hitsivolana

Namaly ny mpanao politika sasany tato ho ato ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fahazoana maka “Ordonance”… “Ny olom-pirenena rehetra no mahazo mangataka didy hitsivolana hahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny mbola ahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana. […]

Mila mifoha

  Firenana iray anisan’ny manana vahoaka tena mahazaka « dona » i Madagasikara. Tsy misy olona mahari-pery mihoatra ny Malagy angamba eto ambonin’ny tany. Asa, noho ny maha Nosy azy ka tsy mba manana olona azo ianteherana. Manana fisaina mitokatokana ka tsy maintsy miaritra na mizaka izay zava-miseho. Maro ny zavatra tsy […]

OIF: Tanjona ny hametraka paikady marolafy, tsy misy fanilihana

Teny anisan’ny manana ny maha izy azy eto amin’izao tontolo izao ny teny frantsay. Ankoatra izay, mampiray sy mampivondrona firenena maro ihany koa izy, hoy ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, nandritra ny fandraisam-pitenenany. Notanterahina omaly, tao amin’ny Lapan’i Villiers-Cotterets Paris Frantsa, ny lanonana fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fihaonana an-tampony […]

TSELATRA

Olona roa naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana, teny Ambodiafontsy, anatin’ny lalam-pire­nena voalohany, omaly. Voadonan’ny fiara sprinter iray ny moto hivily lalana. Nipitika ireo olona roa nitaingina ilay kodiarandroa. Naiditra vonjimaika any am-ponja, omaly, ilay lehilahy mamo nitora-bato taksiborosy teny Ambatolampy. Tsy nisy naratra ireo mpandeha tamin’io fotoana io. Simba ny […]