Auteur/autrice : Adnews

4X4 niharan-doza : maty tsy tra-drano ny mpamily, telo naratra

Mpamily iray maty, olona telo naratra vokatry ny lozam-pifamovoizana teny amin’ny lalam-pirenena RNT12a, teo Bekabaro, fokontany Manam­bondro, distrikan’i Vangain­drano, ny talata 1 oktobra teo. Nikasa hizotra hianavatra ireo olona efatra tao anatin’ny fiara izay avy namita hiraka manokana tao Manambondro. Mpi­asa amin’ny tambajotram-pifandraisana matanjaka eto an-toerana izy ireo. 2 km […]

Nandoa 70 tapitrisa Ar : navotsotr’ireo mpaka an-keriny ilay Vehivavy

Navotsitr’ireo mpaka an-keriny tao Andranonampanga, kaominina ambanivohitr’Ambakireny, distrikan’i Tsaratanàna ny vehivavy iray 61 taona nalain’ny dahalo an-keriny rehefa avy nandoa vola 70 tapitrisa Ar ny fianakaviany. Ny 23 septambra 2024 alina, nalain’ny dahalo an-keriny tao amin’ny fokontany Morarano Chrome Amparafaravola ity renim-pianakaviana ity. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny zandary ka […]

Fanaparitahana fitaovam-piadiana : mpivarotra bala naiditra eny Antanimora

Manaparitaka fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna, lehilahy iray niakatra fampanoavana tetsy Anosy, omaly. Nota­nana am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana izy. Nivarotra bala tena izy, naiditra am-ponja von­jimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny lehilahy iray, omaly. Manana toeram-pivarotana manokana izy teo Antanimena. Sarontsaromany amin’ny famarotana « airsoft » na ireny fitaovam-piadiana plastika maka tahaka amin’ny tena izy […]