Mitohy ny dinika eo amin’ny mpanakanto sy ny tomponandraikitry ny “Moozik”. Andro maromaro lasa izay, nisy ny fihaonan’ny sendikan’ny mpanakanto sy ireo avy amin’ny orinasa Manoova, tomponandraikitr’ilay “application Moozik”. Nitohy etsy amin’ny QG des Artistes etsy Mahamasina ny fifanakalozana eo amin’ny roa tonta. Mazava loatra fa ny mahakasika ny vola […]
Auteur/autrice : Adnews
Sehon’i Dadju sy Tayc : Ismael, Bab’s ary Yvaniat no hiseho voalohany
Nivaly omaly, ilay fifaninanana “Tremplin Heritage”. Nahazo ny “Prix espoir” i Ismael. “Coup de Coeur du Jury” i Bab’s ary « Coup de cœur du public » kosa i Yvaniat. Araka ny efa nampanantenaina, izy ireo izany no mpanakanto malagasy, hanafana ny tapany voalohany amin’ny fampisehoana hataon’i Dadju sy Tayc ny 11 […]
Tarika Solomiral : hisy tsiaro an’i Fanaiky
Efa nanomana ny fiverenany an-tsehatra ny tarika Solomiral. Efa voafaritra mialoha koa ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny « Madajazzcar » andiany faha-35 amin’ity, saingy nodimandry nialoha ny fotoana nifanomezana i Fanaiky, mpikambana fototra sady mpitendry gitara beson’ny tarika. Notanana ny fotoana, ny alatsinainy 7 oktobra izao, manomboka amin’ny 7 ora hariva, ao […]
“Arts &Biodivérsité” : tanjona ny hikajiana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny zavakanto
Nampahafantarina ny mpanao gazety, omaly, nandritra ny valandresaka ireo mpanakanto mpandresin’ny tetikasa “Arts & Biodivérsité”. Hisy kosa ny fampiratiana ireo vokatra, ho an’ny daholobe, manomboka anio hatramin’ny 25 oktobra 2024, eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo. Tanterahina anio, eny amin’ ny La Teinturerie Ampasanimalo, ny lanonana fanolorana ny amboara ho an’ny […]
Oniversiten’i Toamasina : nahazo boky 15840 isa avy amin’ny fikambanana Livres sans frontières
Anisan’ny manampy betsaka ny sehatry ny fanabeazana ny fananana boky sy ny toerana famakiana boky. Ho an’ny oniversiten’i Toamasina manokana, nahazo boky maro samihafa avy any Frantsa izy ireo. Nahazo fanomezana boky maro samihafa avy amin’ny fikambanana Livres sans frontières, ny oniversiten’i Toamasina. Nanolotra izany ho an’ity Anjerimanontolo iray ity, […]




