Auteur/autrice : Adnews

INDRAY MIJERY

Manoloana ny olana teo amin’ny valin’ny bakalorea 2024 tany Toamasina, nidina ifotony any an-toerana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Chaminah Loulla, omaly. Nitady vahaolana mahakasika izany miaraka amin’ny tomponandraikitra rehetra voakasika n anton-diany tamin’izany. Hitsidika ireo vehivavy nodidina vokatry ny aretina mamany lava raisina an-tanana […]

Famarinana olona: mila sahy mitoroka sy mandray andraikitra

Manaitra ny sain’ny rehetra ny Biraom-pirenena miady amin’ny famarinana olona (BNLTEH) fa tokony ho sahy mitoroka avy hatrany izay mahita tranga mampiahiahy miendrika fanararaotana na famarinana olona. Anjara biriky ho fanavotana ireo lasibatra ny fahasahiana mitoroka. Afaka miantso ny laharana 034 32 111 22 raha mahita fihetsika heverina ho famarinana olona. […]

Ady amin’ny fanararaotana ankizy : hanolotra fitaovana ny Amerikanina

Nanome fampitaovana ny sampandraharaha miady amin’ny heloka ana habaka eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny masoivoho amerikanina. Tanjona ny hiadiana amin’ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy amin’ny internet. Hanampiana ireo mpanao famotorana hanao fanadihadiana lalina momba ny trangana famarinan’olona, indrindra mianjady amin’ny ankizy, ireo fitaovana. Solosaina sy fitaovana fitsirihana ahitana haingana ny […]

Tetikasa Lova-USAID: hanatsara ny fahaiza-mamaky teny amin’ny ambaratonga fototra

Nomarihina omaly ny fiverenan’ny famatsiam-bola amerikana eo amin’ny sehatry ny fampianarana eto Madagasikara. Amin’ny alalan’ny fanombohan’ny tetikasa « Lova » vatsian’ny Sampandraharaha amerikana misahana ny fampandrosoana iraisam-pirenena (USAID) no hanatanterahana izany. Natao hanatsarana ny fianaran’ny mpianatra amin’ny ambaratonga fototra, amin’ny famakiana teny sy ny kajy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana sy Androy ny […]

Fadintseranana – Nosy Be: Tafapetraka ny Birao ho fanaraha-maso

Am-perinasa tanteraka ny sampandraharahan’ny fadintseranana misahana ny fitiliana sy ny fanaraha-maso (Bureau de surveillance douanière) ao Nosy Be. Tonga tany an-toerana nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy, ny zoma teo, ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabariniri­na­rison Rindra Hasimbelo sy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin. […]