Auteur/autrice : Adnews

Korontana… tombontsoa

  Hanao ahoana ihany izao fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina izao. Tsy takona afenina, tsy ilaozan’ny tahotra sy fanahiana korontana. Mby amin’izay nitai­zan’ny sasany saina hatramin’izay hoe krizy politika mialoha na mandritra ny fifidianana? Sanatria… Misy ny manao vava tsy ambina amin’izany? Ny depiote mpanohitra aza efa niloa-bava tamin’ny fandranitana […]

Diplomasia : handray ny fihaonana an-tampon’ny COI i Madagasikara

Ankoatra ny fihaonana an-tampon’ny Sadc, handray ny fihaonamben’ny filoham-panjakana aty amin’ny ranomasimbe Indiana na COI i Madagasikara. Handray ny toerany anio kosa ny sekretera jeneraly, Edgard Razafindravahy. Hampiantrano ny fihaonana an-tampony faha-5 ny Vaomieran’ny ra­nomasimbe Indiana i Mada­gasikara, ny fiandohan’ny taona ho avy. Ho ambohi-pihaonan’ireo filoham-panjakana ny any Nosy-Be Hell […]

TSELATRA

Lavon’ny tifitry ny polisy tetsy Ambodinisotry Radadatoa, jiolahy mpanao fanafihana eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Taorian’ny nahasamborana azy, nitarika ny mpitandro filaminana hitoroka ny namany izy saingy nikasa handositra. Maty voatifitra taorian’izay. Renim-pianakaviana 60 taona hita faty tao Mandritsara, afakomaly. Niharan’ny fanolanana io ramatoa io vao novonoina, araka ny fizahana […]

Ambohidratrimo : lehilahy nahatrarana vola sandoka 40 000 Ar

Tra-tehaky ny zandary ny lehilahy iray mpanaparitaka vola sandoka tao amin’ny fokontany Ambohidehilahy, kaominina Ambohidratrimo, ny 28 septambra teo. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ ny tsara sitrapo, nosavaina ny trano fonenan’io lehilahy voarohirohy io. Nahitana vola sandoka 5 000 Ar miisa efatra niampy 10 000 Ar miisa roa tao aminy. Nihazona tombokase hosoka […]

Tsy nanaiky fandaminana : lehilahy iray mamo nisandoka ho Serzà

Mahita atao foana! Voasambotry ny zandary teny Anosizato Andrefana, ny faran’ny herinandro, ny lehilahy iray nanao fandikan-dalàna sady naniratsira mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asany. Tsy nanaiky ny fandrindrana sy ny fandaminana ny fifamoivoizana nataon’ny zandary ity lehilahy ity fa nilaza ho maika sy nitonona ho miaramila mitondra ny galona […]