Auteur/autrice : Adnews

Ambatovy : nisy nitriatra ny fantsombe mitondra akorantany

Nahitana tsy fahatomombanana tampoka ny fantsombe « pipeline », mitondra ny akorantany avy any Ambatovy Moramanga mankany Toama­sina. Nitranga izany ny 25 septambra teo tamin’ny 5 ora sy sasany maraina, tany amin’ny fokontany Akorabe, kaominina Ranomafana Atsina­nana, disitrika Brickaville. Niaraka nitondra fanazavana, omaly, ny talen’ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana sy any ivelany ao […]

JMT : tafapetraka ireo vina sy fanamby

Ambohipihaonan’ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny fizahantany eto Madagasikara, hanamafisana ny maha zava-dehibe ity sehatra ity sy hanehoana ireo olana sy fanamby atrehiny ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fizahantany (JMT) natao tany Antsirabe, ny 26 sy 27 septambra teo. Nasongadina nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpisehatra samihafa sy mpandraharaha eo […]

We Finance Code (WeFi Code) : hampiroborobo ny fandraharahan’ny vehivavy

Nampahafantarina afakomaly, teny amin’ny foiben’ny Banky iraisam-pirenena Anosy, ny fandaharanasa We Finance Code (WeFi Code). Hanohana sy hanampy ny famatsiam-bolan’ny vehivavy mpandraharaha ary hamorona asa marin-toerana sy maharitra ny tetikasa. Iray amin’ireo firenena sivy aty Afrika hanatanterahana ny fandaharanasan’ny Ban­ky iraisam-pirenena «Woman Entrepreneurs Finance Initia­tive Code» (WeFi Code) i Madagasikara. […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahafiton’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby, diviziona voalohany, « XXL Top 12 ». Hamarana ny fifanandrinana eny an-toerana ny lalao izay hihaonan’ny 3FB sy ny TFA Anatihazo. Nahatratra 156 ny isan’ny ekipa nandray anjara tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja […]

Volley-Mada D1 : tafakatra manasa-dalana ny GNVB 1 sy 2

Hiditra amin’ny lalao ma­nasa-dalana, anio, eny amin’ ny Kianja mitafon’Ankoron­drano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy 1ère division, taranja volley-ball. Ekipa misongadina ny GNVB 1 sy ny GNVB 2, izay samy tafakatra amin’ny manasa-dalana. Raha hiverenana ny voka-dalao, seta 3 no ho 0 (25-14/25-14/25-13) no nandresen’ny GNVB 1 ny ekipan’ny […]