15 mianadahy izy ireo no hiatrika ny famaranana amin’ ilay fifaninanana miantsa tononkalo, ampanaovin’ny Faribolana Sandratra. Hetsika « Andeha isika hamorona olona tahaka antsika », tafiditra ao anatin’ny fanamarihana ny faha-35 niorenany. Ahitana an’i Kiady Andrianarimalala, Fahasoavana, Tsiferana Mamisaholy, Ny Volantiana, Fimandi Marïsca, Ikala Kely, Miantsa Niaina, Diart Mikalo, Fanomezantsoa, Racl Joseclaudio, […]
Auteur/autrice : Adnews
Fiarahamonina: Miboridana andro aman’alina ny Malagasy
Manana ny fomba amam-panaony ny Malagasy. Saika voafehin’ireny ny ankamaroan’ny andavanandrom-piainany mba tsy hihoa-pefy. Olon-kendry, olom-banona, fototr’olona, sns, no niantsoany ireo nikajy sy nampita izany… Ankehitriny, tapaka ny arofanina, niboridana ny Malagasy ! Tsy vitan’ny nesoriny fa nariany ny ankamaroan’ny maha Malagasy azy, hany ka tsy mitsaha-miboridana andro aman’alina. Ny olona […]
Angovo azo havaozina : hitombo ny famokarana eny amin’ny distrika
Hanomboka tsy ho ela ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (parcs solaires) izay hamokatra angovo 50 MW. Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ireo fandaniana rehetra momba ny ”dédouanement” sy ny hofan’ny toerana nitahirizana ireo fitaovana alohan’ny hanapariahana izany any amin’ny distrika hametrahana […]
Loka Castel : orinasa 6 nankasitrahana
Nampahafantarina omaly, ireo orinasa 6 tantanin’ny tanora, mendrika tamin’ny fifaninanana “Loka Castel 2024”. Nanatrika ny fotoana ny tale jeneralin’ny Star, Matthieu Seguin. Tanjona ny hanohanana ny fandraharahana isaky ny firenena, ka misy ny tohana ara-bola sy fanofanana, hanamafisana ny fahaiza-mitantan’ireo tanora mpandraharaha misehatra amin’ny fambolena sy ny indostria eto Madagasikara. […]
Adim-piainana sy fitadiavan-karena: mirona amin’ny finoana ny hery tsy hita maso ny Malagasy
Amin’izao fotoana izao, manatona ombiasa sy mpitaiza olona ny ankamaroan’ny vahoaka malagasy. Betsaka ihany koa anefa ny mamonjy mpiandry eny anivon’ny fiangonana. Antony mandrisika azy ireo ny olana vokatry ny adim-piainana sy ny fitiavan-karena ary noho ny aretina mahazo. Ambanivohitra sy miala ny renivohitra no tena ahitana ny mpitaiza olona […]




