Auteur/autrice : Adnews

TI-IM : « Ny lalàna dia lalàna amin’ny fifidianana »

“Ny lalàna dia lalàna”, hoy ny fanehoan-kevitry ny tale mpanatanteraky ny Trans­parency International – Initia­tive Madagascar (TI-IM), Ran­driamampianina Mialisoa, omaly. Manoloana ny fisian’ny mpirotsa-kofidina ho ben’ny Tanàna mitady tsy hanara-dalàna io. Ny olana: raha arahina tsara ny fanatanterahana zotram-pifidianana, be dia be tsy manara-dalàna ireo mpirotsa-kofidina. Hitam-poko, hitam-pirenena izay. Mahita […]

Tsy filaminana marolafy

  Asan-jiolahy, fanafihan-dahalo, fanakan-dalana… Izany no mby an-tsaina avy hatrany amin’ny hoe tsy fandriampahalemana na tsy filaminana. Nefa marolafy izay mety manakorontana ny fiainam-pirenena, indrindra ny fiainam-bahoaka. Anisan’izany, ohatra, ny krizy na korontana politika noho ny afitsoky ny mpanao politika sasany: miady tombontsoa, tsy mahalala afa-tsy ny ho azy, tsy […]

Vondrona afrikanina : mijanona ho tsy mitanila, manohana ny fifidianana

Tsy mijabaka amin’ny raharaha anatin’i Madagasikara ny Vondrona afrikanina. Manamafy ny fanohanany ny raharam-pifidianana izy. Mitsipaka ny fanambaran-diso niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera. Nanao fanambarana ny avy amin’ny Vondrona afrikanina, omaly, teny amin’ny foibeny eny Anko­rondrano. Vontoatin’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny mahakasika ny fihaonana teo amin’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, […]

TSELATRA

Maty voatifitry ny zandary ny tompon’antoka tamin’ny vaky trano tao Ampanotokana, distrikan’Ambohi­dratrimo, afakomaly. Roa lahy namany azo sambo-belona. Nahatrarana entana halatra toy ny bisikileta niampy akoho amam-borona nalainy teny amin’ireto farany. Renim-pianakaviana iray nalain’ny mpaka an-keriny tao amin’ny trano fonenany, tao Morarano Chrome, distrikan’Amparafaravola, ny alin’ny alatsinainy 23 septambra teo. Nitondra […]

Ambohitrambo – Arivonimamo : ramatoa maty voatsatoka antsy

Ramatoa iray hita faty tao an-tranony, ao Ambohitsoa­nan­driana, fokontany Soala­nitra Ambohitrambo, distrikan’ Arivonimamo, omaly ma­raina. Nahazo fampandrenesana vao maraina, tamin’ny alalan’ ny sefo fokontany ao Soala­nitra ny zandary ao amin’ny vondron-tobim-paritra Arivoni­mamo momba ny fisian’ity olona hita faty ity. Nentina haingana teny an-tranon’ilay renim-pianakaviana niharam-boina ny zandary niaraka tamin’ny dokotera […]