Auteur/autrice : Adnews

Distrikan’i Manandriana : dahalo maty voatifitra

Dahalo mpangalatra omby maty voatifitry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Mahasoa II, kaominina Ambovombe Centre, distrika Manandriana, afakomaly. Nanafika mpiompy omby tao amin’io fokontany io ny olon-dratsy miisa fito. Nahare ny fisian’io tranga io, nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny mpitandro filaminana. Namoaka basy ary nanambana ny iray tamin’ireo jiolahy. […]

Rio Tinto QMM : nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra

Nizara fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra 258 ao amin’ny kaominina valo, ao amin’ny disitrikan’i Tolagnaro, omaly, ny Rio Tinto QMM. Nandritra ny taona maro, nandray andraikitra tamin’ny alalan’ny fa­na­ovana hetsika maro ny Rio Tinto QMM mba hanatsarana ny sehatry ny fampianarana sy ny fanabeazana misy eto amin’ny Nosy. Mba hanenana ny […]

INDRAY MIJERY

Nihaino ireo mpiara-miasa aminy, tao Toamasina, ny minisitra Razafinjato Aurélie. Tamin’izany koa no namangiany ireo tokantrano marefo ka nanolorany fehezan-karona nahitana vary, menaka, savony, voamaina… Miisa 500 ireo nisitraka izany. Nahitana zokiolona sy olona manana fahasembanana ary renim-pianakaviana. Nisy koa ny fizaham-pahasalamana maimaimpoana. “Fampiroboroboana ny fanabeazana amin’ny fitenim-pirenena maro: fampianarana […]

Dr Charles Jean Didier-Farahalana : nitombo ny fahavitrihana manatona CSBII

Nanaporofo ny fivoarana nentin’ny tetikasa Usaid Acces eny amin’ireo tobim-pahasalamana eny fitony ny CSB Farahalana, distrika Sambava, faritra Sava, tarihin’ny Dr Charles Jean Didier. Nitombo ny fahavitrihan’ny olona manatona tobim-pahasalamana. Misy tsy tapaka ny fanafody satria efa nahavita fiofanana amin’ny fitantanana fanafody ny ekipan’ny CSBII. Vita tsara ihany koa ny […]

“World Skill Competition” : haneho ny fahaizany ny tanora malagasy

Nanainga ny alahady teo, ho any Lyon, ny delegasiona malagasy hiatrika ny fifaninanana “World Skill Competition”. Ekipa 15 no handrafitra ny delegasiona ary handray anjara mivantana amin’ny sehatry ny fandrariana Ranaivoson Antraniaina Todisoa sy Ramananjatovo Toniniaina Ismaël. Samy avy amin’ny kaoperativa Maharisoa izy ireo. Hanampy azy ny mpanazatra sy ireo […]