Auteur/autrice : Adnews

Barea de Madagasikara: nomena mialoha ny fihaonana ny «Prime de présence»

Notontosaina omaly, tany Tunisie, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny “Can 2025”. Nitafa tamin’ireo mpilalao Barea ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred. Mialoha ny fifanandrinan’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar sy ny Aigle de Cartage Tunisie, omaly, tany Tunisie, tonga nampahery ny Mala­gasy mpilalao ny […]

Fitaterana: Betsaka ireo fiara avy any amin’ ny faritra miakatra ny Renivohitra

Efa mifarana ny fotoam-pialantsasatra ho an’ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Mizotra sy miverina any amin’ny tany niaviany avokoa izy ireo tamin’ity herinandro ity. Be­tsa­ka, araka izany, ny fiara avy any amin’ny faritra mizotra mankaty Antananarivo. Efa manomboka miverina tsikelikely any an-tsekoly ny ankamaroan’ny mpianatra, tamin’ity herinandro ity. Efa tafaverina any […]

PDS Ramanantsoa Harilala : «Miasa aloha fa tsy mbola misy resaka kandidà izao»

Natsidiky ny PDS, kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), ny fandaharanasany, amin’izao nandraisany ny fitantanana izao. Noresahiny koa ny momba ny lafiny politika, nanoloana ny mpanao gazety tetsy Analakely, omaly. Valin-teny tsotra. “Miasa aloha izao isika fa tsy mbola misy resaka filatsahan-kofidina. Ho hitantsika eo ihany amin’ny 19 septambra ny fahafantarana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Miditra amin’ny andro faharoa, anio, ny fametrahan’ireo kandidà ho ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny dosieny. Mbola niompana amin’ny fanomanana antontan-taratasy ilaina rehetra ho amin’ny firotsahan-kofidina ny ankamaroan’ireo kandidà. Tsiahivina fa hifarana ny 29 septambra izao ny fanaterana ny dosie. Efa nahavita ny fanamarinan-tsonia sy ny fametrahana izany teny amin’ny boriborintany […]

Ny entan-jaraina mora zaka

  Raha mihazakazaka izaitsizy ny resaka diplaomasia any ivelany, hita manova fomba fiasa ihany koa ny mpitondra ato anatiny. Zava-dehibe ny fifanampiana eo amin’ny minisitera isan-tsokajiny. Anisan’ny mahafinaritra ohatra ny fifanomezan-tanana eo amin’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny minisiteran’ny Asa vaventy. Misy ny fiaraha-mientana amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faharoa. […]