Auteur/autrice : Adnews

Nanolana ankizy… : migadra telo taona i Thomas

Mirongatra izaitsizy ny endrika fanolanana sy fametave­tana ankizy, araka ny antontan-taratasin’ady miakatra eo anivon’ny sampana fitsarana ady heloka bevava Toamasina ho an’ny andiany voalohany. Ho an’ny alakamisy 6 jolay 2023 teo, antontan-taratasin’ady efatra indray ahitana fanolanana avokoa. Ny roa amin’ireo raim-pianakaviana roa samihafa indray voarohirohy. Voalohany, ny antontan-taratasin’ady laharana faha […]

Sekoly Meraki : nahazo tohana avy amin’ny Groupe Filatex

Notolorana ny mari-pahaizana voalohany ireo zaza 15 mianatra ao amin’ny kilasy farany ambany “petite section” ao amin’ny sekoly Meraki Ambohidrapeto Itaosy, afakomaly. Sekoly mamolavola ankizy sahirana ara-pivelomana. Nanatrika izao fanolorana ny mari-pahaizana izao, ny mompera Pedro avy ao amin’ny Akamasoa, ny Con­sul honoraire an’i Espagne sady tale jeneralin’ny Groupe Filatex. […]

INDRAY MIJERY

Nampahafantatra ny SMGD, miandraikitra ny fitantanana ny toeram-piantsonana eto Antananarivo Renivohitra, fa mihato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fandoavana sandan-toerana amin’ny alalan’ny finday. Ireo tapakila alaina eny amin’ny “horodateur” ihany no manan-kery. Misy ny fanamboarana ka izay no anton’ny fandaminana. Manatanteraka fiofanana amin’ny fikirakirana sy fikajiana ary fitantanana ny […]

CUA-hetsika ara-pahasalamana : nisitraka tolotra maro ny Boriborintany faha-V

Nidina ifotony nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny fitaleavana misahana ny asa sosialy sy ny fahasalamana, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Anjaran’ny mponina eny amin’ny Boriborintany faha-V no nisitraka izany. Nizara roa ny toerana ka ny sasany eny amin’ny fokontany Ambohimi­rary […]

Seces Antananarivo : mitaky ny fialan’ny praiminisitra

Takin’ny mpikambana ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka, sampana Antananarivo, ny fialan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta sy ny minisitry ny Fampia­narana ambony ary ny minisitry ny Vola sy ny toekarena. Tsy nahatanteraka ny andraikiny izy ireo momba ny fanomezana vahaolana amin’ny fitakian’ny Seces ny antony. Nanao fanambarana izy ireo taorian’ny fivoriana, ny […]