Auteur/autrice : Adnews

Toetr’andro : tombanana hibaliaka ny masoandro, anio

Tombanana hibaliaka ny masoandro, ho an’ny anio, eto afovoantany, satria hikisaka any atsimon’i Madagasikara ny rindrin-drahona, raha ny vaovao navoakan’ny Foibe famantarana ny toetr’andro, omaly. Ahitana fiakarana goavana, araka izany, ny maripana ho an’ny eto afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy, mandritra izany. Tombanana hisy rotsakorana any amin’ny tendrony atsimon’i […]

Skotisma-Afrika: handray ny fivoriam-paritra i Madagasikara, ny taona 2025

Hifarana anio, any Le Caire (Egypte), ny fivoriana iraisam-pirenena faha-43 ho an’ny skotisma, andraisan’ny fikambanana skoto malagasy anjara. Naharitra herinandro ny fivoriana, nahitana skoto 2 000, sy mpitarika avy amin’ny firenena 176, araka ny fanazavana azo. Fotoana nandraisana fanapahan-kevitra koa momba ny fikambanana sy ny lalana hitondrana ny hetsika amin’ny hoavy […]

TARATRY ny KANTO

Hiaka-tsehatra eny amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo, anio hariva, ny tarika Rajery. Ho hita mandritra ny seho ireo hira nankafizan’ny maro ny tarika. Vonona ny hanome fahafaham-po ny mpankafy sy hamoaka ny tsara indrindra avy aminy izy ireo, mandritra izany. Hifarana tanteraka, anio, ny “Salon des jeux de société” andiany faharoa, […]

dr razafindrakoto idah: hitafa amin’ny Malagasy mpanao sary

Tanterahina anio tolakandro, eny amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny tafatafa sy resadresaka iarahana amin-dRazafindrakoto Idah, tovovavy malagasy mpiangaly ny fanaovana sary. Ireo mpiantsehatra eo amin’io tontolo io no andrasana ao anatin’izao hetsika izao. Anisan’izany ireo mpanao hosodoko, mpanao sary ary mpanao tantara an-tsary. Tanjona ny hizarana fahaiza-manao matihanina […]