Auteur/autrice : Adnews

Rehefa hita ny fototra… : mila miaina amin’ny kolontsainy ny Malagasy

Tsy handeha hitsangatsangana ireo vahiny tonga teto Madagasikara. Nitondra sy nametraka ny momba azy, izy ireo. Tao anatin’ny fotoana fohy nahazo faka ireny. Laharam-pahamehana ho an’ny vahiny tonga teto Madagasikara ny famo­tehana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Mbola manao randra-mitarika izany taty aoriana satria namela dimby sy fara […]

Fikarakarana volo : mandany hatramin’ny 100 000 Ariary

Manodidina ny 4 hatramin’ny 10 isan’andro ireo olona tonga mi­karakara volo eny anivon’ny botika sy trano fanaovam-bolo eto an-dRenivo­hitra. Miakatra na mihena io isa io miankina amin’ ny vanim-potoana. Manodidina ny 25 000 hatramin’ny 100 000 Ariary ny saran’ny fi­karakarana volo eny anivon’ny botika matihanina arakaraka ny volon’olona. “Eo anela­nelan’ny […]

VAOVAO TAMBATRA

Nanomboka ny talata teo ka haharitra telo andro ny atrikasa hanamafisana ny paikady sy ny fanamby ho amin’ny fampaharetana ny fampiroboroboana ny vondron’olona mpanjono. Atao any Ambovombe, faritra Androy ity atrikasa ity. Nampahatsiahivina omaly ny lalàna mifehy ny vondrona misy an’ireo mpanjono sy ny asam-baomiera samihafa. Nahazo ny amboara “African […]

Itasy sy Bongolava : fanadihadiana mialohan’ ny hizarana fahazoan-dalana hitrandraka

Nidina ifotony tany amin’ny faritra Itasy sy Bongolava, ny volana jona teo, ny Vaomiera misahana ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hikaroka sy hitrandraka (PRE) harena an-kibon’ny tany. Nanatanteraka izany ny solontena avy amin’ ny sampandraharaha voaka­sika ao amin’ny minisitera foibe sy ny fitantanana iraisam-paritra Antananarivo (DIRA). Fepetra tsy maintsy raisina mialoha […]

Tsy an-jaza velively!

  Nivoaka iny ny datim-pifidianana. Ho raikitra ny lalao na mbola misy aza ny fepetra hafa takin’ny mpamatsy vola. Andrasana ihany koa ny fanambarana ataon’ny filohan’ny Repoblika, amin’ny alahady ho avy izao. Betsaka ny maminavina izay ho vontoatin-dresaka. Tsy misy mipika anefa izany fa ny azo antoka, lahateny ho an’ny […]