Auteur/autrice : Adnews

Milina indostrialy : nahazo ny anjarany i Fenoarivo Atsinanana sy Soanierana Ivongo

Hampiroborobo ny famokarana sy ny fanodinam-bokatra ary hampiakatra ny toekaren’ny mponina ny taninketsa indostrialy napetraka ao Fenoarivo Atsinanana sy Soanirenana Ivongo. Nisitraka ozinina ary na­hazo milina hoentina mampiroborobo ny vo­katra any an-toerana i Fenoa­rivo Atsinanana sy Soanie­rana Ivongo. Milina fanamainana voankazo ahafahana mitahiry azy tsy ho simba no natolotra ny […]

TSELATRA

Roa lahy tra-tehaky ny mpitandro filaminana noho ny fihazonana zava-mahadomelina tetsy Namontana, afakomaly. Nataon’ny polisy fisavana tampoka, nahitana fonosana rongony tamina harona plastika nilanja 10 grama teny amin’izy mirahalahy. Nokasaina ho fohana teny Andohatapenaka io rongony io, araka ny famotorana natao azy mirahalahy. Voasambotra ny mpangalatra moto iray, tetsy Amboditsiry, […]

Fasan’ny Karana : nirefotra ny basy, moto iray nalain’ny jiolahy an-keriny

Nitrangana fanafihan-jiolahy indray teny amin’ny Fa­san’ny Karana, omaly atoandro, tamin’ny 11 ora sy 30 mn. Roa lahy nandeha moto no norobaina jiolahy telo nandeha moto koa. Teo amin’ny lalan-dratsy mialoha ny hidirana ny toby fiantsonan’ny taksiborosy no niseho ny fanafihana. Somary nandeha mora ireo roa lahy niharan’ny fandrobana raha nandalo ny […]

Ambohimalaza : jiolahy tratra teo am-pamakiana trano

Voasambotry ny zandary tao Andranomahavelona Masombahiny, Ambohimalaza, afakomaly ny jiolahy iray voarohirohy tamina vaky trano. Avy namaky tranon’olona iray tao amin’ity fokontany ity izy no nifanehatra tamin’ny zandary. Fiaraha-miasa teo amin’ny fokonolona sy ny zandary no nahafahana nisambotra azy. Hita teny aminy nandritra ny fisavana nataon’ny zandary ny entana halatra […]

Asan-jiolahy : mpaka an-keriny maty voatifitra

Fitondrana olona an-keriny ao amin’ny tanànan’Amparafaravola, lavon’ny balan’ny Fip ny jiolahy raindahiny iray,  afakomaly alina. Nirefodrefotra ny basy. Rotiky ny balan’ny polisy ny tompon’antoka tamin’ny tranga fakana an-keriny tao Amparafaravola, ny alin’ny talata 11 jolay hifoha 12 jolay teo. Malaza ratsy, fikambanan-jiolahy mihitsy ireto nifampitana tamin’ny mpitandro filaminana ireto. Nilafika […]