Tafajoro ny governemanta vaovao? Arahaba soa, arahaba tsara…Hanao ahoana? Eo amin’ity fomba fiasa, ny asa ho vita… Mazava ny Politika ankapoben’ny fanjakana, indrindra ny fandaharanasa fanatanterahana izany. Asa izao, asa… Tsy vita indray andro, tsy vitan’ny fampanantenana, tsy vitan’ny fahazoana na fahafenoana toerana… Nefa ny mpitondra no manjaka dia […]
Auteur/autrice : Adnews
Governemanta vaovao: zara mira ny isan’ny lehilahy sy ny vehivavy
Nampahafantarina omaly, teny Iavoloha, ireo mpikambana mandrafitra ny governemantan’ny Praiminisitra Ntsay Christian. 50 % tamin’ny olom-boatendry no vehivavy. Olom-baovao ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin. Ny minisitry ny Atitany, Rahajavololoniaina Nirintsoa. Hisahana ny minisiteran’ny Fampianarana ambony, i Chaminah Loulla. Olom-baovao koa ny misahana ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison […]
TSELATRA
Voasambotry ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy ny mpisoloky iray, omaly. Nokarohina hatry ny ela, voasaringotra tamin’ny raharaha fivadiham-pitokisana sy fisolokiana io lehilahy io. Atao famotorana ary hatolotra ny fampanoavana izy aorian’izay. Nisedra olana teknika, nifatratra tamin’ny kamiao nifanoha-dalana taminy ny kamiao iray teny Fasankarana, omaly maraina. Potika tanteraka ny […]
Lozam-pifamoivoizana : raim-pianakaviana maty voafaokan’ny fiara
Maty tsy tra-drano ny raim-pianakaviana iray 40 taona voadonan’ny fiara teny Ankorondrano, ny alin’ny alarobia teo, tamin’ny 8 ora sy fahefany. Niampita arabe, tsy nahita ny fiara nandalo tampoka io lehilahy io. Tetsy ankilany, nandeha mafy ilay fiara marika starex. Vokany, voadona izy ka nitsirara tamin’ny tany. Niezaka nanavotra ireo […]
Morondava : tokantrano ampolony ravan’ny afo
Hotohoton’ny afo ny tokantrano maherin’ny 10 tao Ampasimopera, fokontany Morondava Centre, omaly tamin’ny 11 ora maraina. Niainga avy amin’ny afo nandrahoana sakafon-kisoa ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. Niparitaka tao anatin’ny minitra vitsy anefa ny afo, nahazo ny trano fonenan’ny mponina manodidina. Nifamonjena navoaka ny entana sy izay rehefa azo navotana. […]




