Nivoaka omaly ny lisitry ny mpilalao hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, amin’ny lalaon’ny Nosy, andiany faha-11, taranja basikety 5×5 sy 3×3. 36 mianadahy izy ireo no voaantso. 18 lahy sy 18 vavy no miatrika fampivondronana hitilina izay handrafitra ny lisitra farany hiatrika ny lalaon’ny Nosy, ho an’ny taranja basikety. […]
Auteur/autrice : Adnews
Jean Nirina Rafanomezantsoa: “Mampandroso firenena ny firaisankina”
Ankatoky ny fifidianana, samy manana ny firehany ara-politika avokoa ireo kandidà. Efa samy mamolavola ny paikady entiny handresena mandritra ny fifidianana na ny mpanohitra na ny am-perinasa. “Samy mampanantena fahagagana entina hampandrosoana firenena ireo kandidà izay hirotsaka eo”, hoy ny filohan’ny Fitrama, Rafanomezantsoa Jean Nirina nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny […]
Nanolana ankizy… : migadra telo taona i Thomas
Mirongatra izaitsizy ny endrika fanolanana sy fametavetana ankizy, araka ny antontan-taratasin’ady miakatra eo anivon’ny sampana fitsarana ady heloka bevava Toamasina ho an’ny andiany voalohany. Ho an’ny alakamisy 6 jolay 2023 teo, antontan-taratasin’ady efatra indray ahitana fanolanana avokoa. Ny roa amin’ireo raim-pianakaviana roa samihafa indray voarohirohy. Voalohany, ny antontan-taratasin’ady laharana faha […]
Sekoly Meraki : nahazo tohana avy amin’ny Groupe Filatex
Notolorana ny mari-pahaizana voalohany ireo zaza 15 mianatra ao amin’ny kilasy farany ambany “petite section” ao amin’ny sekoly Meraki Ambohidrapeto Itaosy, afakomaly. Sekoly mamolavola ankizy sahirana ara-pivelomana. Nanatrika izao fanolorana ny mari-pahaizana izao, ny mompera Pedro avy ao amin’ny Akamasoa, ny Consul honoraire an’i Espagne sady tale jeneralin’ny Groupe Filatex. […]
INDRAY MIJERY
Nampahafantatra ny SMGD, miandraikitra ny fitantanana ny toeram-piantsonana eto Antananarivo Renivohitra, fa mihato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny fandoavana sandan-toerana amin’ny alalan’ny finday. Ireo tapakila alaina eny amin’ny “horodateur” ihany no manan-kery. Misy ny fanamboarana ka izay no anton’ny fandaminana. Manatanteraka fiofanana amin’ny fikirakirana sy fikajiana ary fitantanana ny […]