Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Natao omaly, teny Nanisana, ny famolavolana ny tetikasa hampandrosoana ny sehatry ny jono sy ny toekarena manga any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Tafiditra tao anatin’izany ny fivoriana niarahana tamin’ny tetikasa “Mionjo”, hanatanterahana ireo paikady hoentina mandrafitra izany. Nankalazaina, omaly, haharitra roa andro, ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fizaran’asa sy ny […]

Toliara II : mitaky fampandrosoana ny mponina any Tsianisiha

Miha mitotongana ny fari-piainan’ny mponina any amin’ny kaominina Tsianisiha, distrika Toliara II. Notaterin’ny olobe any an-toerana, Ravahatrarivo Frankel, fa tsy afaka mamboly ny tantsaha satria tsy misy rano ny tany ambolena. Nisy ny toky nomen’ny orinasa Base Toliara fa hanohana ity kaominina ity. Anisan’izany ny namindrana ny fasana, izay voakasiky […]

Raharaha Cnaps : mitaky ny hanendrena ny DG ny mpampiasa

Miahiahy ny zava-miseho eo anivon’ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana ara-tsosialy (Cnaps) ny mpampiasa samihafa. Amin’ny alalan’ny Groupement des entreprises de Madagascar (Gem). Nitaky ny Conférence des travailleurs de Madagascar (CTM) sy ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (FIVMPAMA) ny hanendrena haingana ny tale jeneraly vaovaon’ny Cnaps. “Miteraka olana amin’ny fanatanterahana asa ny […]

Ankoatra ny lalam-pirenena : hamboarina ny lalana tena ratsy eto an-drenivohitra

Hanomboka ny fanarenana ny lalan-dratsy eto Antananarivo Renivohitra. Anisan’ny laharam-pahamehana toy izany koa ny lalam-pirenena faharoa, mankany Toamasina. Harenina ny ankamaroan’ireo lalana tena ra­tsy, taorian’ny fo­toam–pa­ha­varatra. Manampy ny lalam-pirenena, voakasik’izany ma­nokana ny eto Antananarivo Renivohitra, izay tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe asa vonjitaitra, satria tena ilaina sady maika ny hanaovana […]

Mpianatra doctorant : “Tsy azo terena hikarakara Bacc”

Manoloana ny teny midina avy amin’ny tomponandraikitry ny oniversiten’Antana­na­ri­vo fa tsy maintsy manampy ny sampandraharaha mikarakara ny fanadinana ireo mpianatra taona voalohany manomana “doctorat” ka hisahana andraikitra mandritra ny fanadinana bakalorea manomboka amin’ ny alatsinainy ho avy izao. Na­nao fampahafantarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpi­karoka (Seces), sampana Antananarivo, omaly, fa tsy […]