“Narafitra sy nodinihina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra tamin’ny janoary 2024 ny PGE. Tamin’ny febroary 2024 no nanolorana teo anivon’ny filankevitry ny governemanta ny fandaharanasa fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny Praiminisitra Ntsay Christian nanolorana ny fandaharanasa fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) tamin’ny Antenimierandoholona, Anosikely, omaly. Ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana, jona […]
Auteur/autrice : Adnews
Ny honohono tsy ihavanana
Miteraka resabe, eto an-toerana hatrany ivelan’i Madagasikara, ny mahakasika ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Efa fotoana maharitraritra izy izay tsy hita popoka. Tsy nandrenesam-peo, tsy hita miasa eny an-kianja. Tsy hay mazava ny zava-misy marina kanefa Antananarivo, fitaratry ny firenena, no resaka eto. Raha ny honohono dia […]
Faha-5 taonan’ny RMDM: «Hitohy amin’ny fanavotam-pirenena ny tolona»
Nanamarika ny faha-5 taona nijoroany ny RMDM. Tsy nitsitsy fitenenana izy ireo manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny. Nahitsy ireo nandaha-teny tetsy Bel Air, manoloana ny mpitondra, tamin’ny fanamarihana ny faha-5 taonan’ny RMDM. Nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard, fa tsy mba mihaino ny mpitondra ka tsy mahagaga raha niafara amin’izao misy […]
Cité Ampefiloha : mankalaza ny taon-jobily
Natsangana ny taona 1964 ny Cité Ampefiloha. Hiavaka ny fankalazana amin’ity taona ity. Hisy ny vina akaiky sy ny lavitr’ezaka, hampivoarana hatrany ny tanàna. Hankalazaina ny 15, 16 ary ny 17 aogositra ho avy izao ny faha-60 taona niorenan’ny Cité Ampefiloha. Maro ny hetsika ho hita mandritra ireo fotoana ireo, […]
Fifidianana kaominaly : nivoaka ny didim-panjakana ahafahana mirotsaka
Hatao ny 11 desambra izao ny fifidianana ben’ny Tanàna, kaominaly sy monisipaly, manerana ny Nosy, araka ny didim-panjakana mamaritra ny fifidianana lah-2024-1496. Navoakan’ny eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Atitany, teny amin’ny tambajotran-tserasera ny didim-panjakana mahakasika ny fahafahana mirotsaka. Hita ao anatin’izany ny didim-panjakana mampahafantatra ny fikarakarana ny […]




