Loza mitatao ho an’ny tanora ny fihanaky ny tsimokaretina VIH/Sida. « Tokony ho tonga saina izy ireo satria ahitana taha ambony amin’ny olona mitondra ny tsimokaretina ny Oniversite », hoy ny minisitry ny Fahasalam-bahoaka. Manao hetsika manokana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanentanana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Hisantatra ny taom-pianarana vaovao, 2024-2025, ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Ady amin’ny herisetra: 25 mianadahy nahazo fiofanana
Mpisehatra amin’ny fisorohana ny herisetra mifototra amin’ny mahalahy na ny mahavavy miisa 25 mianadahy no niofana nandritra ny 3 andro, tao Antsiranana. Fotoana nahafahana nandalina karazana hevitra maro sy rafi-dalàna mifandray amin’ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ny fiofanana. Natolotra tamin’izany ireo fitaovana enti-miasa hisorohana ireo karazana herisetra. Ny delegasion’ny […]
Fiomanana ny mety hisian’ny ranobe: namolavola hafatra iraisana ny mpiantsehatra
Maro ny mpiantsehatra misahana ny maha olona rehefa ao anatin’ny hamehana manoloana ny loza sy ny tandindon-doza, toy ny ranobe vokatry ny rotsakorana. Zava-dehibe ny asa fiomanana mialoha, hampihenana ny vokatry ny loza amin’ny fiainan’ny vahoaka sy ny fihariany. Volavolaina mialoha ny hafatra hoentina eny amin’ny mpiantsehatra rehetra ho an’ny […]
Sombim-baovao
Tsy tafita amin’ny dingana manasa-dalana, lalao Olympika Paris 2024, i Sidonie Fiadanantsoa, Malagasy vehivavy mpihazakazaka 100 m misy fefy. Laharana fahenina izy omaly, ary 13 segondra sy 12 ampahazatony no nahavitany ny hazakazaka. Mihintsana izy taorian’izay “répechage” nataony omaly izay. Resin’i Afrika Atsimo tamin’ny isa 3 no ho 0, i […]
Randafiarison Rosina: zava-bita 3 nohatsarainy
Vokatra tsara no azon-dRandafiarison Rosina, nandritra ny lalao Olympika natrehiny ny alarobia alina lasa teo. Na dia tsy niakatra « podium » aza, nampihaiky ny vokatra azony satria laharana faha-10 no nisy azy ary nahavita nanamontsana ny zava-bitany tsara indrindra izy. Teo amin’ny « arraché », nahavita nibata 80 kg, raha toa ka 77kg […]




