Miantso ireo rehetra mpikatroka sy mpanohana ny antoko Tim ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nivoitra tao amin’ny Facebook, omaly, fa hanao fanambarana lehibe, manoloana ny raharaham-pirenena ny tenany, anio maraina etsy amin’ny foiben’ny antoko, etsy Bel Air. Manatrika ny fivorian’ny parlemantera amin’ny faritra Atsimon’i Afrika any Namibia ireo depiote. […]
Auteur/autrice : Adnews
Vahoaka miray: “Tsy tokony hahazo hirotsa-kofidina ny mahaleo tena”
“Aminay, tsy tokony hahazo hirotsa-kofidina izany mahaleo tena izany. Raha afa-mirotsa-kofidina ny mahaleo tena, tsy misy antony anaovana antoko politika”. Io ny fanehoan-kevitry ny sekretera jeneralin’ny antoko Vahoaka miray (Vami), eo anivon’ny RMDM, Rakotondrazanany Gabriel Harisoa na i Gaby Vakiniadiana, momba ny fanomanana sy fikarakarana fifidianana kaominaly. Ny lalàm-pifidianana tsy […]
Tena mafy ny ady !
Misahotakotaka ery ny isan-tokatrano amin’izao fotoana izao mandeha miala sasatra. Maro ny fianakaviana mamonjy ranomasina ny avy aty am-povoantany. Tsy vitsy ihany koa ireo avy any amin’ny sisiny, miakatra aty an-dRenivohitra. Tsy mahasakana ny fialana voly ny adim-piainana efa ho lava. Mifanindran-dalana amin’izay, miditra anatin’ny vanim-potoana ny famadihana sy […]
Tale jeneralin’ny Bianco: “Ireo mpandray isam-bolana no manao kolikoly”
Tafapetraka, omaly, ny vatofototra ho fanorenana ny fotodrafitrasa hiasan’ny Birao mahaleo tena miady amin’ny kolikoly (Bianco) ato anatin’ny faritanin’ i Toamasina. Nahitsy ny tale jeneraly, Andrianirina Laza, tamin’ny lahateniny. “… Matetika ireo mpikarama isam-bolana no mpandray kolikoly raha ireo madinika kosa no iharan’izany. Tena misy fiatraikany amin’ny sarambabem-bahoaka tokoa izany”, […]
TSELATRA
Nihitsoka teny an-dranomasina nandritra roa andro sy roa alina ny mpanjono roa lahy navadiky ny lakana tao Nosy Be, afakomaly. Tsy nisakafo sady tsy nisotro rano ireto farany. Avotra soa aman-tsara anefa izy ireo, satria tonga nanao ny asam-pamonjena ny teo anivon’ny Tafika an-dranomasina. Naratra mafy koa ny mpitondra moto […]




