Auteur/autrice : Adnews

Toliara : ampy ny vary eny an-tsena

Tsy misy ahina fa ampy sy ara-kalitao ny vary ao amin’ny tsenan’i Toliara. Tonga nanao fitsirihana, omaly, teny amin’ ireo mpivarotra ambongadiny sy mpaninjara any an-toerana ireo tomponandraikitra ho fiahiana ny mpanjifa. Niara-dalana nanao ny fidinana ifotony ny ekipan’ny fitantanam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) notarihin’ny Talem-paritra […]

Fifanakalozana ara-barotra : miandrandra hanohizana ny Agoa i Afrika

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fampiroboroboana ny toekaren’ny firenena aty Afrika ny hanohizana ny lalàn’ny African Growth and Opportunity Act (Agoa) ho an’ny 10 taona manaraka. Nandresy lahatra hanatanterahina izany ireo mpisitraka nandritra ny Forum Agoa tany Washington. Notanterahina ny 24-26 jolay, tany Washington DC ny fivoriambe (Fo­rum) ara-barotra faha-21 […]

INDRAY MIJERY

Nisy ny fiofanana ho an’ ny mpiasan’ny fahasalamana eo anivon’ny hopitaly ao amin’ny urgence teo anivon’ny DRSP Analanjirofo, niarahana tamin’ny DCAmum sy ny OMS. Fiofanana namaliana ny hetaheta hanatsara hatrany ny tolotra fahasalamana omena ny vahoaka ary manaja ny maha olona. Fanamafisana ireo traikefa amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary (serasera) […]

Orange Madagascar : mpiasa 500 nisitraka tolotra fahasalamana

Isan-taona, manokana andro iray ho fanentanana ny mpiasa rehetra ao aminy momba ny fandraisan’ny orinasa Orange anjara amin’ny fahasalamana, fiahiana ary ny fenitra hanatanterahina ny asa ny tomponandraikitra mpitantana. Toerana efatra no nanatanterahina izany: Anta­na­narivo, Tanjombato, Maha­jan­ga ary Fianarantsoa. Nisan­tatra izany ny tale jeneralin’ny Orange Madagascar, i Fré­déric Debord, ary […]

Bakalorea-sampana teknika : 11 262 ny mpiadina manerana ny Nosy

Hanomboka anio ka haharitra hefarana ny fanadinana bakalorea, dingana faharoa ho an’ny sampana teknika. “Efa vonona handray ny mpiadina ny foibe sy ny mpanara-maso rehetra”, hoy ny tomponandraikitra. Mahatratra 11 262 ny isan’ny mpiadina manerana ny Nosy. 221 amin’ny sokajy technologique ary 11 041 ny fampianarana teknika sy arakasa. Momba ny fitsarana […]