Mahoraka maneran-tany ny lalao olympika atao any Paris, renivohitr’i Frantsa. Raha ny hita amin’ny tambajotran-tserasera dia ambohimpihaonan’ny zanakolombelona ity renivohitry ny “fanazavana” ity. Mahatonga solontena avokoa ny kaontinanta dimy. Ankoatra ny delegasiona izay ahitana ny mpilalao sy ny mpanotrona, mpameno tanàna ny mpizahantany. Manginy fotsiny ireo mpanefoefo mpandraharaha. Manana […]
Auteur/autrice : Adnews
Fihaonan’ny filoha Rajoelina sy i Macron : niompana tamin’ny fampiroboroboana ny lafiny toekarena
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fitondram-panjakana malagasy sy ny firenena Frantsay. Mbola hampitombo ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny toekarena, indrindra ny angovo ny firenena roa tonta. Tontosa omaly, tao amin’ny Lapam-panjakana Elysée, Frantsa, ny fihaonana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron. Tanjona ny […]
TSELATRA
Moto scooter iray potika tanteraka niharan’ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalan’Ambohitrimanjaka, omaly atoandro. Naratra ny mpandeha roa tamin’io moto io. Fiara tsy mataho-dalana iray no nifandona tamin’izy ireo. Hita tsy lavitry ny tanàna saingy efa tsy nisy maso intsony ny lohan’ilay lehilahy nisy nanapa-doha tao Antanimieva, distrikan’ i Morombe, ny alarobia […]
RN 6 : Taxi-borosy notafihin’ny jiolahy
Nitrangana fanafihana taxi-borosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahenina (RN 6), ny talata teo. Tao Manerinerina Avaratra no nitranga ny fanafihana, araka ny fanazavan’ireo mpandeha tao amin’ilay taxi-borosy. Fiara miasa ao amin’ny kaoperativa iray mampitohy an’i Mahajanga sy Manerinerina Avaratra ity nisy nanafika ity. Voalaza fa avy any Mahajanga ilay taxi-borosy […]
Nahazo 5 tapitrisa Ar : mpisoloky voasambotry ny zandary
Tratran’ny zandarimaria miasa ao amin’ny Tobi-paritra Mananara, ny mpisoloky iray nilaza ho mahay mampitombo vola, afakomaly. Manatona olona mihitsy izy ary mitady izay azony hambakaina amin’io fandrebirebeny io. Mpamboly lavanila iray tao amin’ny Antsirabe-Fotsiarivo, kaominina Analampotsy, Kaominina Mananara Avaratra no lasibatra. Nampiresahana io raim-pianakaviana io ka nampanantenainy fa hitombo vola […]




