Auteur/autrice : Adnews

Vinavinan’ny fanjakana : andrasana ny mpizahatany 970 000 amin’ity taona ity

Fepetra noraisin’ny filoha Rajoelina hanatsarana ny fitantanana sy ny fikarakarana ny mpandeha eny amin’ny seranam-piaramanidina ny fidinany teny ifotony, ny talata 23 jolay teo. Ny ampitson’io, noresahina ity tranga ity teny amin’ny filankevitry ny minisitra, notarihiny. Nohamafisina tao amin’ny fampitana am-bava, fa « mila hatsaraina ny fomba fiasa, indrindra amin’izao […]

Madagascar Airlines: mitombo efatra ireo fiaramanidina miasa

Tafaverina miasa ny fiaramanidina iray an’ny kaompania Madagascar Airlines rehefa nandalo fanamboarana. Mitotaly efatra ankehitriny ny fiaramanidina am-perinasa. Tafiditra ao anatin’ny drafi-panarenana « Phé­nix 2030 » ny kaompania Madagascar Airlines ny fampitomboana ny fiaramanidina hamaliana ny filan’ny mpandeha amin’izao vanim-potoana fahatongavan’ny mpizahatany izao. Tafaverina miasa ankehitriny ny fiaramanidina MSN 813 rehefa nandalo […]

INDRAY MIJERY

Efa manomboka miranty eny amin’ny tsenan’ny mpaninjara ireo fitaovam-pianarana samihafa ho an’ny mpianatra hiatrehina ny taom-pianarana vaovao. Mbola ny kahie aloha no tena be mpividy izao satria ireo no marobe ny isan’ny ampiasaina any an-dakilasy, hoy ny mpivarotra. Tsy niova ny vidiny fa ireo tahiry tsy mbola lafo tamin’ny taon-dasa […]

Fisorohana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza: nampanantonina ny tanora ny fitiliana

Mitohy ny hetsika fanentanana momba ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza sy ny nono ary ny fananahana ara-pahasalamana karakarain’ny ONG Douleurs sans frotières (DSF), Fisa sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Misy ny fitiliana manokana ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, anio, eny amin’ny CSB Ambohipo ary eny amin’ny Esplanade oniversiten’Antananarivo kosa ny alatsinainy sy talata […]