Nidina an-dalambe sy nandoro kodiarana teo akaikin’ny CEG Nanisana ireo mpandroaka fako eo anivon’ny Samva, omaly tolakandro. Anton’izany ny tsy mbola nandraisan’izy ireo ny karama. Vokany, nikorontana ny fifamoivoizana teny an-toerana. Tonga nanatsahatra ny hetsika ireo mpitandro filaminana ny hariva. Nilamina ny teny an-toerana taorian’izay. Nisy ny atrikasa mahakasika ny […]
Auteur/autrice : Adnews
Hanatsarana ny rafitra fanairana mialoha : nanolotra fitaovana ny BNGRC ny UNFPA
Efa manana ivontoerana mikirakira ny fanangonam-baovao eny ifotony mandritra ny fiatrehana ny loza sy ny tandindon-doza ny BNGRC. Tanjona ny hanangana Centre multimédias manatsara ny asa mifandraika amin’ny serasera sy fizarana vaovao marim-pototra. Hampiasaina ao anatin’io ivontoerana io ny fitaovana momba ny teknolojia vaovao natolotry ny Tahirin’ny Firenena mikambana momba […]
Fotoan’ny fialantsasatra : tsirihina manokana ireo fiara handeha lavitra
Fotoan’ny zaikabe sy fivahinianana masina izao. Eo indrindra koa ny fotoam-pialantsasatra sy ny fandehanana manao famadihana. Misarika ny sain’ny rehetra ny tomponandraikitry ny Foibe fitsarana fiarakodia mba samy hanaraka ny toromarika sy ny fepetra rehetra ary ny lamina hiarahana amin’ny sampandraharaha samihafa. Tsy maintsy mandalo fitsirihana ara-teknika manokana avokoa ireo […]
Bakalorea : nilamina ny fizotry ny fanadinana, omaly
Nanomboka tamin’ny 7 ora sy sasany maraina tsy diso ny fanadinam-panjakana bakalorea, omaly. Nizotra am-pilaminana, araka izany, ny fiatrehan’ireo mpiadina izany. Nanomboka omaly ny fanadinam-panjakana bakalorea manerana an’i Madagasikara. Mahatratra 218 359 ireo mpiadina miatrika izany. Mitsinjara amin’ny foibem-pampianarana 413 sy efitrano fanalana fanadinana miisa 6 410. Nisantatra ny taranja […]
Antsohihy: hamokatra tantely 12 taonina isan-taona
Mitohy ny fampiroboroboana ny taninketsa indostrialy amin’ny alalan’ny tetikasa « One District One Factory » (Odof). Nisitraka izany, ny alahady teo, ny distrikan’Antsohihy. Hanodina tantely 100 litatra isan’ora sy hamokatra hatrany amin’ny 12 taonina isan-taona ny milina ao an-toerana. Hanatsara ny vokatr’ireo tantsaha ka hahatonga azy ireo hamokatra ny fahazoana ny ozinina. […]




