Auteur/autrice : Adnews

Festikate 3: Mampiroborobo ny toekarena ny fizahantany

Hatao any Antsiranana, ny 18 hatramin’ny 28 aogositra ho avy izao, ny hetsika ara-pizahantany lehibe, “Festikate 2024”. Tolotra iray hampiroboroboana ny toekarena amin’ny lafiny fizahantany eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Tanterahina eny amin’ny Helidranon’ny Sakalava any Antsiranana, ny “Festikate” andiany fahatelo. Miara-miombon’antoka amin’ny fikarakarana azy io ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny […]

« Déstination Cirque »: hanafana ny sehatry ny AFT ny Compagnie Astan

Fampisehoana miala kely amin’ny mahazatra no atolotry ny AFT ao anatin’izao fialantsasatra izao. Fampisehoana izay mifototra amin’ny fampivelarana ny zavakanto sy ny tontolony hatrany. Hiaka-tsehatra eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT) Andavamamba,  indray ny Com­pagnie Astan, mandritra ny fampisehoana « Déstination Cirque », hatao ny 3 aogositra 2024. Hetsika natao hanasongadinana ireo […]

Zotra efa mahazatra ny maro: miavaka amin’ny zava-misy rehetra ny fitaterana an-taksiborosy

Manana ny mampiavaka azy ny fitaterana eto Madagasikara. Samy manana ny mahazatra azy kosa ny distrika tsirairay. Anisan’ny olan’ny fitaterana nasionaly sy ny any amin’ny faritra ny haratsian-dalana. Mbola misedra olana goavana ny fitaterana eto Madagasikara. Anton’izany ny haratsian-dalana manerana ny faritra rehetra eto amin’ny Nosy sy ny fahanteran’ny fiara. […]

FANTINA sy FINTINA

Andrasana ny governemanta vaovao ny fankatoavana, amin’ny alalan’ny didim-panjakana amin’ny filankevitry ny governemanta, ny soso-kevitry ny Ceni hoe amin’ny 6 novambra ny ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina. Tokony hivoaka amin’ny 6 aogositra izany farafahelany, fa izay ny 90 andro mialoha ny datim-pifidianana, raha ny voalazan’ny lalàna. Angamba, mbola mandamina […]

HAINGO PARADIS : “Fotoana handraisana andraikitra izao”

Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra, ny fanaterana ny antontan-taratasy amin’ny firotsahana ho anisan’ireo hofantenana ho ministra, ho an’i Volo­lom­boahirana Haingotiana Laurence, fantatry ny maro amin’ny anarana Haingo Paradis Madagasikara. Ny fahatsapana ny zava-misy sy iainan’ny vahoaka no tena nanosika azy hirotsaka hofantenana amin’ny ho mpikambana eo anivon’ny governemanta. Nanambara izy […]