Auteur/autrice : Adnews

Fanodinan-tsakafo: hasongadina ny fromazy malagasy

Hatao ny 17 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao, etsy amin’ ny zaridaina Antaninarenina, ny Foaran’ny fromazy aty afovoan-tany. Voakasik’izany ireo mpisehatra amin’ny ronono, ao anatin’ny faritra Analamanga, Itasy, Bongolava ary Vaki­nan­karatra. Miainga any amin’ny mpiompy ombivavy beronono, ny mpanangom-bokatra ary ny mpanodim-bokatra. Andiany voalohany ity hatao ity, karakarain’ny M’Anja […]

RSE : andrasana ny hivoahan’ny lalàna

Tanjona amin’ny Andraikitra sosialy raisin’ny orinasa (RSE) ny hitondra fampandrosoana maharitra. Andrasana ny lalàna mazava hifehy azy, iraisan’ny orinasa rehetra. Natao ny 11 sy ny 12 jolay teo, teny amin’ny Novotel Ivandry, ny he­tsika «Salon de la RSE», andiany fahasivy, nokarakarain’ny Innoveo. Maherin’ny 70 ireo tranoheva nandray anjara, nampahafantarin’izy ireo […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina ny alahady ho avy izao, any Fianarantsoa, ny fanadinana hiakarana ambaratonga kukkiwon (1ère dan- 4ème dan). Tsy miova ny fepetra, hoy ny tale teknikan’ny Federasiona, fa tsy maintsy manana taratasim-pilalaovana avy amin’ny FMTKD sy fehikibo mena, barety roa na mihoatra ny mpandray anjara rehetra. Hatao ny 29 aogositra hatramin’ny […]

Baolina kitra – «Euro 2024»: hikatsaka ny amboara voalohany i Angleterre

Hanamarika ity faran’ny herinandro ity ny famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra “Euro 2024”. Fihaonana hatao rahampitso alahady, ao amin’ny kianja Olympia stadion ao Berlin. Hiady izany ny La Furia Roja Espagne sy ny Three Lions Angleterre. Fanindroany amin’izao ny anglisy no hiatrika ny famaranana amin’ny […]

Rugby : mpanazatra 7 lahy niofana

Notanterahina ny alarobia sy ny alakamisy lasa teo, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka, ny fiofanana ho an’ ireo mpanazatra manana ny fahaizana “niveau 2”. 7 mirahalahy izy ireo, avy amin’ny klioba “federal 2”. Nitarika sy nampi­ofana kosa i Mohamed Sharaoui, manam-pahaizana avy amin’ny World Rugby. Mbola karazana tombana ity natao […]