Auteur/autrice : Adnews

Fanoherana ny fitondrana: Misokatra ho amin’ny fampitambaran-kery ny MMM

Nivoaka amin’ny fanginany ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM). Nambaran’ny birao politika fa mijanona hatrany ho mpanohitra izy ireo. Nitondra fanazavana ny toeran’ny MMM manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny birao politika, ny Me Ramilison Toky. Nambarany fa vonona handray anjara amin’ny fifidianana ben’ ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Tanàna […]

Hiffim : “Mila zava-baovao ny vahoaka”

“Mila zava-baovao ny va­hoaka malagasy, mila fihetsiky ny filohan’ny Repoblika mampiseho fitaratra vaovao hahatonga ny olona havitribitra handeha any amin’ny fampandrosoana”. Io ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andria­miseza Alain, momba ny fa­nanganana governemanta vaovao. Endrika vaovao hitondra ho amin’ny […]

Antenimierampirenena: nafana ny adihevitra momba ny fitsipika anatiny

Andrasana anio, ny ho fanapahan’ny HCC na mifanaraka na tsia amin’ny Lalàmpa­norenana ny fitsipika anatiny, novolavolain’ireo depiote. Hirosoana avy hatrany ny fifidianana ny filohan’ny Anteni­mierampirenena sy ireo ho filoha lefitra isam-paritany ary koa ny toeran’ny filoha lefitra fahafito, ho an’ny mpanohitra. Tahaka izany koa ny fifidia­nana ireo ho filoham-baomiera. Manampy […]

Rava ny governemanta: Nametra-pialana i Ntsay Christian!

Nametra-pialana, halina, ny governemanta Ntsay Christian. Andrasana ny lisitra, ahitana ny handimby ny praiminisitra. Miandry ny fametrahana birao maharitra ao Tsimbazaza izany. Nisaorana! Nametra-pialana halina ny governemanta tarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian. Nosoniavin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, ny fanekena izany fametraham-pialany izany. Efa nanomboka nialoha izany ny fifandresen-dahatra sy ny ady […]

IKM Antsahavola : hiverina ny « Antsika Hisôma vakansy »

Maro isan-karazany ireo hetsika mandravaka izao fialan-tsasatra lehibe izao. Anisan’ny fotoana ihany koa hialana voly sy hianarana zavatra hafa ivelan’ny fianarana, indrindra ho an’ny ankizy. Hotanterahina eny amin’ny Ivon-toeran’ny Ko­lon­tsaina Malagasy (IKM) Antsahavola, ny 16 jo­lay 2024 hatramin’ny 16 Ao­gositra 2024, ny « Antsika Hi­sôma vakansy ». Hetsika ara-javakanto sy kolontsaina maroloko […]