Tratra tany amin’ny fari-dranomasina antsoina hoe « Bance du Leven » ny sambo kenyanina iray, nanjono an-tsokosoko tany amin’ny 87 km, avaratra andrefan’i Nosy-Be, ao anatin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara, ny 8 jolay teo. Nandritra ny iraka fisafoana mahazatra nataon’ny sambo mpanara-maso Antsantsa, an’ny Foibe fanaraha-maso ny jono (CSP) no nahavitana izany. Miisa 8 […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Vita ny 25% ny asa amin’ny fanarenana ny vahilava Kiembe ao an-tampon-tanànan’i Toliara. Mitotaly 4 927 m ity lalana ity ary 7 m ny sakany. Enjehina ho vita amin’ny faran’ity taona 2024 ity ny asa rehetra. Mampifandray ny fokontany Akiembe, Motombe ary Andranomena ity vahilava ity. Mamatsy vola ny fanatanterahana […]
FAO sy Minae : fiaraha-miasa ho an’ ny fanjarian-tsakafo
Novolavolain’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny tsakafo (FAO), ny taona 2019, ny hetsika « Mifampitantana » (main dans la main). Niditra tao anatin’ny hetsika i Madagasikara, ny taona 2023. Natao sonia, omaly, teto Antananarivo, ny fiaraha-miasa ny tetikasa « Tohana ho an’ny fanovana ny rafitra ara-tsakafo ho an’i Madagasikara », tafiditra ao anatin’ny hetsika […]
Fambolen-kazo 2024: tratra ny 86% ny tanjona napetraka
Laharam-pahamehana amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana (Medd) ny ady amin’ny trafika sy ny fiarovana ny harena voajanahary. Namintina ny zava-bita sy ny hatao manaraka ny minisitry ny Tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine, ny herinandro lasa teo. Anisan’ny nisongadina tamin’ny tatitra ny mahakasika ny ady amin’ny trafikana zava-mananaina (biby sy zava-maniry), toy […]
Afafi Fahasalamana : azo aloa amin’ny finday ny saram-piantohana
Natao sonia ny 3 jolay teo ny fifanarahana fiaraha-miasan’ny orinasa Airtel Money sy ny fikambanana Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana (Afafi). Azo aloa amin’ny finday, amin’ny alalan’ny Airtel Money ny fanonerana ny fiantohana ara-pahasalamana ho an’ny mpikambana Afafi. Mitovy ny fijerin’ny roa tonta, satria «tanjona ny hanamorana ny fahazoan’ny tsirairay […]




