Mivoatra manaraka ny haitao ara-kajy mirindra sy ny teknolojia ihany koa ny famokarana horonantsary. Izany indrindra no antom-pisian’ny velakevitra ho fampahafantarana ny “Intelligence artificielle”, tao anatin’ny hetsika “Madagascourt Film Festival”. Tontosa, omaly, teny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, ny valandresaka niresahana sy namelabelarana mahakasika ny « Intelligence artificielle » (IA) […]
Auteur/autrice : Adnews
SOMBIM-BAOVAO
Hiatrika ny «Tournoi international challenger of pristina», ny Ankoay lahy, eo amin’ny taranja basikety. Fifaninanana ho an’olona telo miaraka, tanterahina any Kosovo, manomboka ny 20 jolay ho avy izao. Tokony ho ry zareo Frantsay no hanao izany saingy tsy afaka izy ireo noho ny fiatrehany ny lalao Olympika ka izao […]
Rugby – “Seven’s men Africa cup”: nankasitrahin’ny minisitra Valery Ramonjavelo
Noraisin’ny minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS) mpisolo toerana, Ramonjavelo Valéry, omaly, tetsy Mahamasina, ny ekipam-pirenena malagasy Makis sevens. Nanolotra ny teny fisaorana tamin’ny alalan’ny fanjakana ho azy ireo ity minisitra ity, noho ny vokatra tsara azon’ny Makis, nandritra ny fifanintsanana “Seven’s men Africa cup”, natao tany Maurice, ny […]
Handball – “CCCOI 2024”: resin’i Mayotte i Madagasikara
Ratsy fanombohana ny Cosfa teo amin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny ekipa tompon’ny amboara (CCCOI 2024), taranja handball, sokajy lehilahy. Fihaonana notanterahina omaly, tetsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’ny Mahorais, tamin’ny isa 26 no ho 20, ry zalahy. Vokatra tsy nampoizin’ny rehetra. Noheverina fa […]
Taranja bisikileta – Ocean Indien: hatao eto Madagasikara ny taona 2025
Handray lalao iraisam-pirenena i Madagasikara, ny taona ho avy io. Efa mitsangana ny fikambanan’ny mpilalao bisikileta aty amin’ny ranomasimbe Indianina, izay tarihin-dRelaha Jean Claude, filohan’ny Federasiona malagasin’ ny bisikileta. Nambaran-dRelaha Jean Claude, filohan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta, omaly, fa horaisin’i Madagasikara, amin’ny taona 2025 ho avy io, ny fiadiana ny ho […]




