Ny taona 2023, nisy andiany efatra ny fanaovam-baksiny hiarovana amin’ny aretina poliomelita. 5 tapitrisa mahery ny ankizy vao teraka hatramin’ny 59 volana nahazo ny fatra tamin’izany, ka nahatratra 99,8% ny tahan’ny fahavitam-baksiny. “Ho an’ny andiany voalohany, tamin’ity taona ity, ny 14-17 mey lasa teo, 13 268 649 ireo ankizy latsaky ny 15 […]
Auteur/autrice : Adnews
Antananarivo sy ny manodidina ; Ezahina havoaka amin’ity herinandro ity ny valin’ny BEPC
Efa saika namoaka ny valim-panadinana BEPC avokoa ny fari-piadidiam-pampianarana rehetra eto amin’ny Nosy. Andrasana hivoaka amin’ity herinandro ity kosa ny an’ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Efa namoaka ny valim-panadinana BEPC ny fari-piadidiam-pampianarana 43 manerana ny Nosy. Anisan’izany, Ambanja, Ambatolampy, Anjozorobe, Ambatomainty, Ambohidratrimo, Andramasina, Ankazobe, Manjakandriana, Antanifotsy, Betafo, Faratsiho, Antsalova. […]
Fahantrana : tsy resahina mihitsy ny kolontsaina
Ilay fiheverana fa ny rindrankira eny an-tsehatra ihany no atao hoe kolontsaina no mitondra hevi-diso hatramin’izao. Raha ny voalazan’ny mpahay tantara, anefa, nialoha ny nampiasain’ny vahiny ny basy aman-tafondro, ny kolontsaina no nopotehany. Noho izany, raha te hiala amin’ny fahantrana sy ny habadoana lalina, mila haverina amin’ny laoniny ny kolontsaina […]
Fy Andrianarison : Boky mahakasika ny vaovao an-tsarin’ny TVM
Sambany nisy boky mirakitra ny tantaran’ny Televiziona Malagasy (TVM). Manasongadina ny vaovao an-tsary i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao aminy. Ezaka goavana! Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny 8 jolay teo, ny boky nosoratan’i Fy Andrianarison, mpanao gazety ao amin’ny fahitalavitra TVM. Nosoratany amin’ny teny frantsay, mitondra ny lohateny hoe : «Le […]
“Live painting” : hitohy eny Anatirova
Fanehoan-kanto efa fanao maneran-tany, saingy anisan’ireo zava-baovao anatin’ny fanamarihana ny “Iray volan’ny sary hosodoko”, ny “Live Painting”. Notontosaina ny sabotsy teo ny voalohany, teny amin’ny Rovan’Ambohimanga. Samy naka zoro nampiaina ny aingam-panahiny ireo mpahay kanto nandray anjara. Avy hatrany dia fanehoana talenta mivantana no natao, amin’izay endrika hosodoko manavanana ny […]




