Naiditra am-ponja avokoa ireo efa-dahy nisandoka anaran’olona ambony mpikambana ao amin’ny Governemanta izay voasambotra ny volana mey teo. Nampiasa kaonty sandoka amin’ny tambajotran-tserasera ireo mpisoloky ireo. Nangalany vola ireo lasibatra. Nitonona ho mahatafiditra ho mpiasam-panjakana rahateo izy ireo ka nanao mora ny fanambakany. Nanao fikarohana ny polisy misahana ny fikarohana […]
Auteur/autrice : Adnews
Namaky trano dimy: Jiolahy voasambotry ny fokonolona
Niharan’ny daroka nataon’ny fokonolona ireo efa-dahy mpamaky trano tao Tanambao Verrerie sy Mangarano, kaominina Toamasina, izay voasambotry ny fokonolona, ny sabotsy 6 jolay teo. Zatra manao io asa ratsiny io, nandrasan’ny mponina kendry tohina ireo jiolahy ireo ka nifanenjehan’izy ireo. Vokany, tratra avokoa izy efa-dahy izay monina tsy lavitra ny […]
Ao anatina fikambanan-jiolahy : voaheloka hiasa an-terivozona 10 taona i Alain sy Laro
Fanafihana mitam-piadiana, fikambanan-jiolahy no vesatra iampangana ireto tovolahy roa mpiambina mpamongady iray ao Toamasina. Nampangain’ny « bar à pince » sy lelavola 7 tapitrisa Ar tany aminy ry zalahy ireto… Araka ny antontan-taratasin’ady laharana faha-149-Toa/23-3404-RP/21, notsaraina teo anivon’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava, ny zoma lasa teo, ity raharaha ity. […]




